Politique

TIM sy MAPAR Fiaraha-mientana fa tsy fiaraha-miasa


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Samy manana ny hanitra ho azy ny TIM sy ny MAPAR, ary tsy misy ny fifanaraham-piaraha-miasa fa fitoviam-pijery no misy, hoy ny depioten’i Madagasikara voafidy teny Ambohidratrimo Mamy Rabenirina omaly, tao amin’ny fandaharana Bemiray an’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 FM.

Ho an’ny olom-pirenena kosa dia maro no maneho, fa mandrisika an-kolaka an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina hifanatona ny zava-miseho ara-politika rehetra. Afaka miara-miasa rehefa mitovy ny fomba fijery, hoy izy, ka ny resaka lalàm-pifidianana no nampiray ny an-daniny sy ny an-kilany, ary tsy ireo ihany fa teo ihany koa ny MMM sy ny vondrona parlemantera tsy miankina. Fomba fiasa ary tafiditra ao anatin’ny fitsipika mifehy io andrim-panjakana io ny fahafahana misintona sy ny fangatahana fampiatoana ny fivoriana, saingy tsy nohenoina sy nahazo izany izahay, hoy izy. Nivoaka niady hevitra kely momba ny paikadiny izy ireo, ary niverina niditra avy eo, saingy haingana toy ny tain-kitana ny fandaniana ny lalàna. Adihevitra ny mikasika ny isa tamin’iny 3 aprily nandaniana ny lalàna iny. 151 ny depiote, 1 efa maty ary tsy voasolo, iray tsy tonga, ary ny filohan’ny  antenimiera tsy afaka nifidy , ka 148 izany no nandray anjara. 79 no voalaza fa nandany, ary 73 ireo tsy mankasitraka, izay manome 152. Ny lisitr’ireo depiote tsy mankasitraka, dia efa miaraka amin’ny taratasy fitoriana any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sy ny Bianco, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy ampy mihitsy ny fetr’isa ary izy dia vavolombelona fa diso ny fanisana tao. Efa tokony ho nodinihina tamin’ny herintaona io lalàna io raha tena miasa ny mpitondra fa izahay mahita hoe niniana nampitarazohana noho ny kajikajy, hoy izy. Momba ny fangatahana ny fandravana ny antenimiera, dia hisy fahabangana raha hiroso amin’ny fametraham-pialana faobe, ary tsy izay no tanjona fa ny fotoam-piasana no tokony hofaranana ary haverina any amin’ny vahoaka ny fahefana ka halefa ny fifidiana, hoy izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT