Raha mbola avy nandany an’ilay volavolan-dalàna mikasika ny ZES sy nanatrika ny lanonana famaranana ny fivoriana tsy ara-potoana faha-3 tao an’efitrano fivorian’ny Antenimieram-pirenena omaly takariva ireo depiote niisa 79 nandany ihany koa an’ireo volavolan-dalàna fehizoro 3
mikasika ny fifidianana hotanterahina eto amintsika talohan’ireo, dia namoaka fanambarana nitambatra teo anoloan’ny varavarambe fidirana ao amin’ity trano fivorian’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ity kosa ireo depiote TIM, MAPAR , TSY MIANKINA sasantsasany niisa 76 izay nitsipaka hatramin’ny farany ny fandaniana an’ireo volavolan-dalàna fehizoro 3 voalaza teo ireo. Nambaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny solontenany avy, ny kestora 3 Guy Rivo Randrianarisoa sy ny depiote Razanamahasoa Christine ary ny depiote Rivotiana Jean Bosco fa tsy mendrika intsony ny hajan’ny Antenimieram-pirenena ny zava-misy eny amin’ity lapam-panjakana ity ankehitriny ary tsy ekena ny amboletra sy tery vay manta atao amin’izy ireo handany izay lalàna hatolotry ny governemata Malagasy. Teny tsy azo ekena intsony ireo ka miantso ny rafitra iraisam-pirenena izy ireo handinika tsara ny zava-misy niseho teny Tsimbazaza omaly talata 3 aprily 2018 dia ny fanosoram-potaka azy ireo ho mpanakorontana sy ny kolikoly avo lenta niseho teny an-toerana fa tsy mendrika intsony izany hoe Antenimieram-pirenena Malagasy izany ny haja nomena azy fa very hasina tanteraka ankehitriny. Mangataka ny filohan’ity Andrim-panjakana ity izahay 73 mijoro amin’ny fahamarinana ireto : « Ravao ity Antenimieram-pirenena ity dia miverina eto indray izahay afaka 60 andro. « Mise en minorité » ny governemanta ankehitriny ka tokony hametra-pialana fa tsy tokony hijanona eo intsony. Voavidy vola ireo depiote nandany an’ireo lalàna fehizoro 3 ireo ka raha fifidianana malalaka sy mangarahara ary madio no katsahintsika dia aty amin’ny lalàna hitondrana azy ve dia efa feno kolikoly sahady ? Aoka tsy hatakalo vola ny marina ! Tsy vitan’ny kolikoly ihany no manjaka ato fa ny fanitsakitsahana ny lalàna velona sy ny lalàmpanorenana koa. Aleo ny vahoaka Malagasy no hitsara fa izahay tsy mba nandray na ariary aza fa nisy kosa ireo depiote nahazo an’izany 300 tapitrisa ariary izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.