Nisafidy ny teny Antsahamasina Ambohidrapeto ny TIM Club facebook tarihin-dRaheriniaina Yves nanatanteraka asa soa.
Niantefa manokana tamin’ireo zokiolona teny an-toerana izany, nanoloran’izy ireo fanomezana amin’izao ankatoky ny Noely sy ny fetin’ny faran’ny taona izao. Nahitana ronono, savony, menaka, odimoka ny fanomezana. Tsipaipaikan’ny mpikambana no nenti-nanana ny fanomezana. Nanamarika Raheriniaina Yves fa sady tsy depiote na Ben’ny tanàna ny mpikambana ao amin’ny TIM Club facebook fa kosa samy mpanohana an’i Marc Ravalomanana sy Lalao Ravalomanana. Nanotrona ny hetsika teny Antsahamasina ny Ben’ny tanànan’Ambohidrapeto.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.