TIM Boriboritany faha-4

«Ny vahoaka eny ifotony no manolotra kandidà»


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

Ho fanamafisana ireo asam-baomiera natao nandritra ny fankalazana ny

faha 20 taonan’ny antoko sy ny famelomamaso dia nanao fanambarana omaly ny tomponandraikitry ny antoko politika Tiako I Madagasikara na TIM eo anivon’ny boriboritany faha 4, voafidy ara-dalàna, DISTIM, mpanolo-tsainan’ny tanàna, ny birao ny FOKOTIM, miaraka amin’ny tanora sy vehivavy fa mampatsiahy foana ny tokony hanajana ny fehikevitra tapaka tamin’ny kaongresy nasionaly ny 1 jolay 2023 izy ireo. Tapaka sy nambara am-pahibemaso tamin’izany fa tsy atao fomba fanao intsony ny « Parachutage» na fiavin’ny tafara fa ny vahoaka eny ifotony no manolotra izay heverina ho kandidà amin’ny fifidianana rehetra izay mbola ho atao, hoy ny fanambarana. Fanirianay rantsa-mangaika ety ifotony ny hanatanterahana ny hetahetanay mba tsy ho rano dikain’ny zinga sy ho mpanara-drenirano fotsiny ihany ny mpikambana. Antoko velona sy matanjaka ny Tiako I Madagasikara eto amin’ny boriboritany faha 4 ka saropiaro noho ireo ezaka sy asa natao nahatongavana tamin’izany, hoy hatrany ny fanambaran’ny TIM Boriboritany faha 4 omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT