TIM Boriborintany faha-6

Voafantina ireo kandida ho mpanolontsaina monisipaly


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Nanata nteraka fivoriambe ny mpitarika foko TIM ao anatin’ny Boriborintany faha-6 ny sabotsy 24 aogositra lsa teo teny Ambohimanarina.

Fotoana nentin’ny solombavaùbahoaka Todisoa Andriamampandry sy ny ekipany nisaotra ny rehetra, indrindra ireo mpitarika tamin’ny nahazoana salan'isa ambony indrindra teto Antananarivo.Tsy mijanona eo anefa, fa miroso avy hatrany tamin’ny fanaovana tomban’ezaka ny asa rehetra vita sy fanatsarana ny fifampitondrana ny mpikatroka TIM anatin’ny Boriborintany faha-65. Raikitra avy hatrany ny fametrahana paikady hiatrehana ny fifidianana Ben'ny tanana sy mpanolontsaina monisipaly, ka notanterahina io sabotsy io ny fisafidianana sy fanolorana ireo olona 10 ho mpanolontsaina monisipaly. Nisy ny sivana natao tamin’izany ka olona mpitarika, mamy hoditra sy mihosina miaraka amin’ny vahoaka, manana fitondra tena mendrika, ary manana fari-pahalalana sy fahendrena ary fitiavan-tanindrazana no natolotra, ary tao anatin’ny fiombonan-kevitry ny rehetra, raha ny fanamarihana. Misy solontena avokoa ao anatin’ity lisitra ho mpanolotsain’ny tanàna avy amin’ny Boriborintany faha-6 ity ny DisTIM, FokoTIM, Jeunes-TIM, FemmesTIM, raha ny tatitra. Vonona hamerina ary hanatsara kokoa hatrany ny vokatra azo tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ireo mpikatroka TIM anatin’ny Boriboriborintany faha-6 tarihin’ny depiote Todisoa Andriamampandry, raha ny fanambin’izy ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT