Politique

TIM Boriborintany faha-6 Hanao lanonam-be rahampitso sabotsy


  • Zoma 24 Martsa 2023

Hifampiarahana nahatratra ny taona vaovao 2023 ireo mpikambana ao anatin’ny Antoko Politika Tiako I Madagasikara ao anatin’ny Boriborintany fahaenina rahampitso sabotsy 25 martsa.

Ao Ambatolampy no hanatanterahana izany, lanonana hanasana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Hitarika sady mpikarakara ny lanonana ny depiote Todisoa Andriamampandry, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ity Boriborintany iray ity. Nambarany omaly fa efa vonona tanteraka handray io lanonana io ny tenany sy ireo olomboafidy maro samihafa ao anatin’ny antoko TIM. Hisy ny toromarika omen’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny olom-pirenena tsirairay avy mandritra izany mba samy ho avy hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana. Hofaranana amin’ny fizarana nofonkena mitam-pihavanana izany. Omby miisa 4 no hovonoina mandritra izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpikambana. Tsiahivina moa fa efa manomboka ihany koa ny fanofanana fanodinana savony maimaim-poana omen’ity solomvabambahoaka ity ho an’ireo mponina manerana ireo Fokontany telo ao aminy.
Pati
Legende : Ny depiote Todisoa Andriamampandry vvoafidy teny amin’ny boriboritany faha-6

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT