Politique

TIM Avaradrano Vonona hampandresy an’i Marc Ravalomanana


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Vonona hampandresy an’i Marc Ravalomanana ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara distrikan’Avaradrano.

Porofon’izany ny hamaroan’ireo tonga tetsy amin’ny Yandy By Pass ny Sabotsy teo nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2023 niaraka tamin’ity filoha teo aloha ity. Mihoatra ny 9.000 isa ireo mpikambana eo anivon’ny TIM tonga nanatrika izany notronin’ireo Ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny antoko ao anatin’ny distrikan’Avaradrano sy ny solombavambahoaka. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nihaonan’ny filoha Ravalomanana tamin’izy ireo. Nahatsapa ity filoha ity fa mbola tena tian’ny mponin’Avaradrano raha toraka izany ihany koa ny any amin’ny faritra hafa. Ankoatra ny dinidinika entina hanatsarana ny fiainan’ny antoko amin’ny ankapobeny sy hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity moa dia maro ireo toro-marika nifanomezan’izy ireo. Anisan’ireny ny fanentanana ireo feno 18 taona rehetra mba hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Hatreto mantsy dia mbola mihoatra ny 4 tapitrisa mahery ireo olona feno 18 taona mbola tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana. Eo ihany koa ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana navoakan’ny CENI tamin’ny 31 janoary teo toy ny hoe: tsy misy doublon marina ve ? misy olona tsy tokony hisoratra anaty lisi-pifidianana intsony ve nefa mbola tafiditra ao ihany ?....Raha araka ny fantatra moa dia efa nangataka audit mikasika io lisi-pifidianana navoakan’ny CENI io ny antoko TIM hoy Randriantsoa Jimmy, filohan’ny COM TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Na izany aza dia mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano manentana ireo feno 18 taona rehetra hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Nofaranana tamin’ny fizarana koba moa ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Tsiahivina moa fa miisa 3000 ireo mpikambana eo anivon’ny antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano raha efa 20 taona kosa izao no nisiany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT