Politique

TIM Antsirabe I Tontosa ny fivoriana voalohany


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Fivoriana voalohany ho an'ny antoko politika Tiako I Madagasikara na TIM ao amin’ny distrikan'Antsirabe I no tontosa ny sabotsy 4 martsa 2023 teo, hoy ny fampitam-baovao voaray.

Tonga nanotrona ihany koa ny solombavambahoakan'i Madagasikara izay voafidy tao Antsirabe II, José Randrianantenaina. Fihaonana voalohany izay niantsoana ireo mpitarika ny antoko TIM teo anivon'ny fokotany miisa 60 mandrafitra ny distrikan'Antsirabe I izy ity. Faly ny vahoaka satria efa ela no niandrasan'ny maro ny fivoriana sy fiaonana tahaka izao. Tena tsy omby ny efitrano izay nomanina handraisana ny fivoriana satria tao ihany koa ireo izay mbola tsy nantsoina kanefa dia tonga noho ny fitiavana. Anisan'ny votoatin'ny fivoriana ny fanentanana ny olona rehetra mihoatry ny 18 taona hisoratra anaty lisi-pifidianana sy ny hanamarinana izany. Faly ny vahoaka ary mbola vonona hatrany ny hifanohana sy hiaradia amin’ny antoko TIM, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT