Fahombiazana ny fahavitan’ny tondrozotra amin’ireo mpikambana TIM avy ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy satria dia efa dingana iray hivoahana amin’ny krizy iny, hoy Atoa Selitiana mpitarika ny tanora TIM ao amin’ity Distrika ity.
Na eo aza ny resabe sy savorovoro inian’ny mpomba ny FAT atao sy aely dia matoky tanteraka ny fomba fiasan’ny Filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpitarika izay tarihin’Atoa Mamy Rakotoarivelo ry zareo ary mino fa matoa tanteraka iny dia ny baikon’ny filoha no natao. Nanamarika ity mpitarika ity fa hatrany ambanivohitra no toran-kovitra tamin’ny resaka naelin’ny FAT amin’ny fisamborana ny filoha Marc Ravalomanana saingy efa matanjaka ny azy ireo ny serasera amin’ireo mpikambana any anivon’ny Fokontany mba hanazavana ny tena zava-misy ka tsy nandaitra ilay resabe. Tsikaritra koa, hoy ity mpitarika ity fa rehefa misy dingana hirosoan’ny firenena dia miseho hatrany ny karazana fampihorohoroana ataon’ireo manodidina ny FAT toy izao ka efa manomboka tsy manaitra ny any ambanivohitra intsony fa efa ho lava. Koa raha manam-piniavana ny hampisy fitoniana ny FAT dia tokony hamela malalaka ny filoha Marc Ravalomanana ho
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.