Minisitry

ny fampianarana teknika


  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Misy fandaminana !

Tsy ekena ny fandrahonana sy fanakorontanana misy ambadika ! »
Ny PRRM, ny governemanta, ny Minisitera,… dia manao izay mety mametraka ho laharam-pahamehana ny fampianarana, indrindra fa ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Tena iangarana mihitsy aza ity Minisitera ity amin’izao, raha ny nambaran'ny Minisitra Todisoa Andriamampandry, saingy mahagaga ihany ny fisian’ireo mitsivala-pandry. Tsotra ny namalian’ity minisitra ity ny resabe mikasika « recrutement » hoe: « sahala amin’ny fanadinana io, ka tsy maintsy misy afaka dia misy ny tsy afaka, Nisy AMI na « appel manifestation d’internet » io, nisy Bianco tao, nisy komity, nisy sendika, tao anatin’ny fanajana lalàna. ». 250 ho an’ny mpampianatra « vacataires » ao, misy mpampianatra « bénévoles », misy « vacataires », ary misy tanora manam-pahaizana mba te hiditra hitondra ny fahaizany tafiditra. Misy ny tetikasa ratsy ara-politika mamporisika ny sasany hanakorontana ny Firenena, kanefa mino izahay fa tsy ho lasa lavitra izany satria mendrika ny tanorantsika, hendry ny vahoaka, ka tsy ho voajono amin’izany toetra ratsy izany, hoy io Minisitra io. « 4 taona angarangidina tsy nisy « recrutement », kanefa dia vitavita teny ihany. Vao tonga ny 2026, vao tonga teo ny tenanay dia isan’ny niadivako voalohany izany. Vao 2 volana monja dia nisy an’ireny 250 nampidirina ireny ny «vacataires » lasa mpiasam-panjakana. Vao tamin’ny herinandro dia nahazo 356 indray, izay natao AMI (Appel à Manifestation d’Intérêt » izay 8500 teo no liana, izay midika fa misokatra satria betsaka ihany koa ireo te hitondra ny fahaiza-manaony, ny fianarana rahateo nitombo, ny fampianarana rahateo nohatsaraina nampidirana taranja vaovao manaraka ny toetr’andro, mila fahaiza-manao vaovao », hoy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry.
MISY MIKETRIKA FANAKORONTANANA…
« 4 taona tsy nisy vita ihany dia izao misy kanefa mimonomonina ny sasany satria misy ny tsy mahandry tantana, ka aleo izay himonimonina sy mitabataba fa isika mandroso », hoy hatrany io Minisitra io. Nambarany fa aoriana kely dia efa hisy ny « recrutement » ho an’ny « vacataires » sy ny « bénévoles » fotsiny, ary teniko, hoy izy ny hoe : amin’ny herintaona dia tsy asiantsika an’izany intsony fa ho mpiasam-panjakana. Tonga dia teneniko, ny mahatonga ny sasany mimenomenona sy tsy mahandry tantana, fa misy sasany amintsika tsy mendrika. Tsy mpampiantra akory dia efa manao fandrahonana, manao « chantage » ny Fanjakana sy ny tenanay, manompa, maniratsira,… ka miala tsiny amin’ireny olona ireny, fa izany ve no atao mpampianatra, tsy mendrika hatao mpampianatra sy mpiasam-panjakana izany ary efa fantatra daholo ireny, hoy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry tamin’ny fomba hentitra. Misy antony sy fandaminana ao fa tsy adala ny Fanjakana, tsy adala ny Minisitera, tsy adala ny tenako amin’izay mahasoa ity Minisitera ity, hoy izy. Misy miketrika fanakorontanana, misy mpanao politika efa fantatra mampanao an’izany, raha ny nambarany. Namafisiny kosa fa ezahana hampidirina ho mpiasam-panjakana avokoa ireo mendrika, fa tsy misy toerana ho an’ny tsy mendrika kosa eo anivon’ny Minisitera, ka niantsoany fahaiza-miaina sy fifanajana ary fiaraha-mientana eo anivon’ny tontolon’ny fampianarana teknika, tsy hamerenana ny gaboraraka sy hisian’ny Fanjakana tsara tantana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • CEG
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Antanimbarinandriana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

Hijery ny tohiny
FTT