Politique

TIM Ambohidrabiby Lany hitarika ny Pasitera Lazasoa


  • Alarobia 10 Mey 2023

Nanatanteraka fivoriambe ny alahady lasa teo ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM ao amin’ny kaominina Ambohidrabiby.

Tonga tao avokoa ireo solontena avy amin’ny fokontany miisa 14 mandrafitra ny kaominina, hoy ny fanazavana. Nofidiana ny biraon’ny COM TIM ao an-toerana. Raha tsiahivina dia ny kandidan’ny TIM Ambohidrabiby ihany no nahatafiditra ben’ny tanàna tamin’ny anaran’ny TIM amin’ireo kaominina miisa 9 mandrafitra ny faritra B ao amin’ny distrikan’Antananarivo avaradrano. Tsy nahagaga, noho izany, raha i Pasitera Lazasoa izay ben’ny tanàna ao Ambohidrabiby ihany no nofidian’ny mpikatroka TIM mba ho filohan’ny COM TIM Ambohidrabiby satria izy no namelo-maso ny antoko sady mahafehy tsara ny kaominina. Nisy ny tatitra nataon’ny mpikambana nanatrika ity fivoriana ity fa misy olona mandeha moto mitety fokontany ao Ambohidrabiby amin’izao fotoana izao izay miezaka manaratsy ny ben’ny tanana sy ireo mpanolontsaina voafidy tamin’ny anaran’ny TIM ary misandoka fa nirahin’ny filoha Ravalomanana mba hanangana TIM vaovao ao Ambohidrabiby. Namafisin’ny mpikambana teto anefa fa iray tsy mivaky ny TIM Ambohidrabiby eo ambany fitarihan’i Pasitera Lazasoa ary maro ireo mpikambana vaovao tonga nanatevin-daharana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT