Politique

TICAD andiany faha-8 any Tunis Afaka tena hisintona tombotsoa ve ny Mpitondra ?


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Handray anjara amin’ny TICAD (Conférence internationale de Tokyo sur le développement en Afrique) andiany faha-8 hatao ny 27-28 aogositra izany hoe : manomboka rahampitso any Tunis ny Fanjakana Malagasy.

Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no isan’ny ho any an-toerana raha ny vaovao niparitaka nanomboka omaly. Maro ny tetikasa iarahantsika amin’ny Japoney, raha tsy hilaza afatsy ny fanitarana ny seranantsambon’i Toamasina, hiarahana amin’ny Fandaharan’asa Japoney momba ny fampandrosoana na ny JICA, izay efa ny Fanjakana Rajaonarimampianina no angady nananana sy vy nahitana izany. Ny fifanarahana momba ny jono ataon’ny sambo Japoney 10 amin’ny sarany 1,16 tapitrisa dolara mandritra 2 taona kosa no isan’ny nataon’ny Fanjakana ankehitriny tamin’ny volana jolay teo. Efa nandray anjara tamin’ny hetsika nifanindran-dàlana tamin’io resaka TICAD io ny Filoha ny 22 aogositra farany teo, izay nanipihihany manokana ny ezaka momba ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fambolem-bary. Ny asa mandeha amin’izao fotoana izao, dia ny fanitarana ny tany hambolena mba hampiakarana ny vokatra hatrany amin’ny 46% amin’ny vokatra miakatra isaky ny hekitara. Efa nambaran’i Andry Rajoelina ihany koa ny fisian’ny tetikasa iarahana amin’ny JICA amin’ny alalan’ny fandefasana mpiasa eo amin’ny sehatry ny fambolena any Japon mba handray an-tànana ny tetikasa ara-pambolena, fa eo ihany koa ny fahafahany manovo traikefa ara-teknika momba ny fambolena, mba ahafahany manofana indray ny mpiray tanindrazana avy eo. Zava-dehibe ny tahaka izany, saingy ny zavatra hita sy tsikaritra aloha, mbola ambany lanja ny resaka fambolena sy fiompiana raha mitaha amin’ireo haitraitra sy haingotraingotra handanian’ny Fanjakana vola tsy toko tsy forohana. Raha handray ohatra iray mivaingana izay efa noresahana teto fa tsiahivina ihany dia ilay 77 tapitrisa dolara (280 000 000 000Ar) nanaovana ny kianja Barea, ahafahana mividy traktera 5600 isa raha kajiana ho 50 tapitrisa Ar eo ny vidin’ny traktera iray. 40 tapitrisa dolara eo no ahafahana manajary ny tanimbary eto Madagasikara, saingy toa tsy tena rototra firy ny fitondrana, raha tarafina amin’ilay hoe : efa ny mpamatsy vola no nilaza fa tokony ho laharam-pahamehana ho antsika ny fambolena sy fiompiana vao nanao fikaonandoham-pirenena momba izany.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT