Tiavina Ratsimandresy

Hijoro hampandroso an’Ambohimangakely


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Ela ny ela fa hijoro ho an’Ambohimangakely Avaradrano amin’izay Atoa Tiavina Ratsimandresy

amin’ny fampandrosoana ity kaominina iray ity. Olona mpanetsika ireo tanora tao Ambohimangakely nandritra ny taona maro ny lehilahy. Sekretera jeneralin’ny tanora Tiako I Madagasikara tao Avaradrano ihany koa izy no sady efa mpikatroka TIM nanomboka tamin’ny taona 2013, izany hoe : fony izy vao 21 taona. Tsy nipetra-potsiny izy nandritra izany fa marobe ireo asa sosialy sy hetsika efa notanterahiny nentiny nanasoavana ny mpiara-belona. Anisan’ireny ny fikarakarana ny « cours » maimaim-poana ho an’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea tao Ambohimangakely, ny fikarakarana lalao ara-panatanjahantena ka nanolorana fanamiana sy omby mifahy ary baolina ho an’ireo nivoaka ho mpandresy. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny fanentanana ny olom-pirenena mba handray anjara amin’ny latsa-bato isaky ny misy fifidianana tanterahina eto amin’ny firenena…. Anisan’ny mampiavaka an’i Tiavina Ratsimandresy moa ny fahaizany mikirakira ny lafiny nomerika sy ny fananany traikefa amin’ny fahaiza-mitarika. Tanjony araka izany ny hanatsarana hatrany ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Anisan’ireny ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka ao Ambohimangakely iray manontolo, araka ny tarigetrany. Hohampivelarany ireo tetikasam-pampandrosoana efa natombony mba samy hisitraka izany avokoa ny isam-batan’olona ao anatin’ity kaominina iray ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorany ny loka ho an’ireo mpilalao nivoaka ho mpandresy tamin’ny tournoi izay nokarakarainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT