Politique

Tiako i Madagasikara- Toliara Ravao ny rafitra rehetra napetraky ny FAT


  • Talata 04 Oktobra 2011

Mitaky ny fampiharana haingana ny sori-dalana nosoniavina ny 17 septambra 2011 teo ny rantsana Tiako i Madagasikara (TIM) ao Toliara.

 Eo koa ny fandravana avy hatrany ireo rafitra misy amin’izao fotoana izao toy ny governemanta, ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny CENI. Ho an’ity rantsan’ny Tiako I Madagasikara any Toliara ity manko dia tsy mihevitra ny hanatanterahana ny fifanarahana ireo mpikambana ao anatin’ireo rafitra ireo ary maniry hatrany ny hitohizan’ny krizy hifikiran’izy ireo amin’ny sezany ka hanao tantely afa-drakotra ireo harem-pirenena. Nisy ny fanambarana an-tsoratra nataon’izy ireo mikasika izany.

Ao anatin’io fanambarana io koa no anamelohan’izy ireo ny fikasan’ireo mpitandro ny filaminana sasany miaraka amin’ny minisitry ny fitsarana eo anivon’ny FAT hisambotra ny filoha Marc Ravalomanana. Na eo aza izany dia manamafy ny TIM Toliara fa mankasitraka ny nanasoniavana ny sori-dalana na tsy dia nahafa-po loatra aza ny vokatra. Ankoatra ireo moa dia manasa ny filoha Marc Ravalomanana ity rantsan’ny antoko ity mba hijery an’Atsimo Andrefana raha vao tonga eto Madagasikara. Voasolotena tao anatin’ny fihaonan’ny TIM rejionaly Toliara ireo Fokontany 41 ao an-tampon-tanànan’i Toliara.

 

Nangonin’i Soa

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT