Nikatona tanteraka tamin’ny enina ora maraina teo ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Loholona izay hatao rahampitso talata 29 desambra 2015.
Samy nanao izay ho afany ireo antoko sy fikambanana nandrotsaka kandida amin’ity fifidianana ireo izay handrafitra ny rafitra faharoa amin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna ity. “Afa-po” tamin’ny fandresen-dahatra ireo mpifidy vaventy nataony, nitetezany Distrika nandritra izay 21 andro izay ny Tiako I Madagasikara ary milaza fa “be fanantenana” ny amin’izay ho vokatry ny latsa-bato hataon’ireo mpifidy vaventy miisa 12.664 rahampitso, amin’ireo biraom-pifidianana miisa 1.695 manerana ny Nosy.
“Manana ny toerana maha izy azy ny mpifidy vaventy ary olona voafidim-bahoaka ka mendrika ny fifidianana demokratika tsy misy teritery ary tsy tokony hampitahorina satria matoa nanao Ben’ny tanàna na mpanolotsaina dia efa manana finiavana handray anjara amin’ny fanasoavam-bahoaka ka avelao hifidy malalaka izay Loholona tiany sy maharesy lahatra azy”, hoy Raharinavalona Mamy Mamonjy, amin’ny lisitra Tiako I Madagasikara ho an’ny faritanin’Antananarivo, eny amin’ny tambajotran-tserasera facebook.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.