Politique

Tiako I Madagasikara Miomana hibata fandresena sy haka fitondrana


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Miomana ny hibata fandresena tanteraka ny antoko Tiako I Madagasikara amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona ho avy io. Efa misoko

mangina amin’ny fanatanterahana izany paikady izany izy ireo amin’izao ka anisan’ireny ny fanentanana ny mpikambana rehetra mba hisoratra anarana eny anivon’ny Fokontany manoloana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Efa ao anatin’ny famaranana izany tanteraka isika ankehitriny ankehitriny hoy ny filohan’ny COM TIM Alasora Randriantsoa Jimmy ka tokony samy hihazakazaka ny tsirairay. Ho an’ireo tsy tratran’ny iraka avy amin’ny CENI ao an-tokantranony hoy izy amin’ny andavanandro fa mamonjy ireo asa aman-draharaha dia tokony hanokana fotoana kely hanatona Fokontany rehefa faran’ny herinandro hanamarinana ny anarany na tafiditra ao anaty lisi-pifidianana na tsia. Izay ihany mantsy hoy izy no fomba hahafahan’ny tsirairay maneho ny safidiny rehefa tonga ny fotoam-pifidianana izay ho filoham-pirenena mba hisian’ny mangaraharaha. Na izany aza dia tsy nanadino ireo mpikambana ao anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara Alasora ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny COM TIM Randriantsoa Jimmy amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao. Mpikambana miisa 3.000 no notoloran’izy ireo vary 2 kg isan’olona ny faran’ny herinandro teo, hahafahany miatrika amim-pifaliana ny fety raha mitontaly 7 taonina kosa izany vary izany. Tsiahivina moa fa fotoana iray nahafahan’ireo mpikambana rehetra nifanakalo hevitra ihany koa tamin’io fotoana io hahatongavana any amin’ny fandresena.
Legende : Nandritra ny hetsika teny Alasora
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT