Nanangam-bovona ireo mpikambana fototra eo anivon’ny Tiako i Madagasikara manoloana ny fihetsika sy famiraviran’ny tarik’i Emile Ratefinanahary na Vazaha ity antoko naorin’ny filoha Marc Ravalomanana ity.
Ara-panjakana aloha dia tsy misy tokony hahazo hampiasa io anarana io, ary noho izay antony izay indrindra no tsy nananan’ny Tiako i Madagasikara kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ary tsy isian’ny lisitra Tiako i Madagasikara amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy io. Gaga, araka izany, ireo mpikambana fototra ao amin’ny TIM manoloana ny fahasahiana miendrika fihantsiana ataon’ny tarik’i Vazaha sy Ralisaona John mbamin-dry Didier Rakotoarisoa mamory olona, ka milaza fa hanohana ny kandida Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Fisolokiana politika izany, ka tsipahin’ny mpikambana fototra marindrano. Nisy fivorian’ny mpikambana TIM tao amin’ny Faritra Bongolava, ny sabotsy 23 novambra teo, notarihin’Atoa Ramanankavana Julien, mpanolotsaim-paritra teo aloha, izay nilaza mazava fa tsy mankato velively ny fanapahan-kevitr’i Emile Ratefinanahary sy Andrianantoandro Raharinaivo. Ny mpikambana fototra ny TIM hoy izy ireo dia manohana tsy misy fepetra ny kandida Robinson Jean Louis. Miteny ho azy ny vokatra azon’ity kandida tohanan’ny filoha Marc Ravalomanana ity tany Bongolava tamin’ny fihodinana voalohany teo, ary mbola hanao misimisy kokoa noho izany aza amin’ny fihodinana faharoa.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.