Politique

Tiako i Madagasikara “Atsaharo ny fisolokiana !”


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Na ny filohan’ny filankevi-paritr’Ihorombe, Rostand, na ny Ben’ny tanŕnan’Ankaraobato, Guy Maxime, na ny depioten’i Faratsiho, Henri Victor, sy izay voafidy tany Ankazobe, Mamitiana, dia samy nanamafy fa dia fisolokiana no ataon’ireo milaza azy ho Tiako i Madagasikara.

 Araka ny fanazavan’i Rostand Andriampilamanana dia antsoin’ireo nisintaka teo anivon’ny Tiako i Madagasikara ireo olomboafidy ka hoe ampidirina ho mpikambana eo anivon’ny Kongresy na ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita amin’ny anaran’ny Tiako i Madagasikara. Ambaran’ireto nisintaka, araka ny vaovao ihany fa ny minisitra afrikanina tatsimo no nilaza izany ka nahatonga azy ireo mandray ny anaran’ireto olomboafidy. «Aoka izay ny fisolokiana !», hoy Rostand fa tsy hahasolo ny filoha Ravalomanana velively ianareo, na dia milaza ho maro an’isa aza. Nohamafisin’i Guy Maxime Ralaiseheno moa fa dia tsy manana olona ireny milaza azy ho parlemantera Tiako i Madagasikara ireny.

Mazava ny zava-misy hoy izy, tsy misy toerana ho an’ny mpanongam-panjakana sy ny mpamadika intsony eto, ary raha manana hambo ireo mpanao politika nisintaka sy nivadika tamin-dRavalomanana dia tokony hanangana antoko politika vaovao fa tsy ny anaran-dray no entina miseho etsy sy eroa. Nambarany koa fa ny famahana ny krizy eto an-toerana, izany hoe ny fanatanterahana ny fihaonan'ireo filohana ankolafy 4 eto no handamina ny eto Madagasikara. Nohamafisin’ny depiote Henri Randrianjatovo fa dia tsy maintsy hatao izay hodian’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana. Nambarany fa efa nifampiresaka ireo raiamandreny telo dia Ratsiraka, Zafy ary Ravalomanana. Nampiomana ireo mpiara-dia aminy ity solombavambahoaka ity amin’ny fitsenana ny filoha kanefa mila mailo ihany ny rehetra. Ho an'ny depiote Mamitiana Ravelonanosy dia na iza na iza mpitondra eto kanefa tsy hahatafody ny filoha Ravalomanana dia miala. Sokajian'ny ankolafy Ravalomanana ho mpamadika izay rehetra tsy mahatanteraka iny sori-dalana vita sonia iny, raha ny fanazavana ihany.
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT