Niaiky omaly Atoa Thierry Rakotonarivo, administratera sivily ary filoha lefitry ny CENI fa tena nisy tsy fahatomombanana sy tsy fetezana tokoa tamin’ny fandravonana ny vokatry ny fifidianana loholona notanterahana ny 29 desambra lasa teo
.Fanambarana izay toa manamarina ny ahiahin’ny maro tamin’ny fisiana hosoka sy halabato amin’ny fomba maro samihafa ; ary tsy iza fa ny antoko matanjaka, manam-bola sy manana fahefana ihany no sahy manao izany fa tsy antoko hafa mihitsy tsy akory.Nanamafy anefa i Thierry Rakotonarivo fa tsy afaka manafoana vokatra izany ny CENI fa manjary mandika lalàna ; ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana irery no manana fahefana araka ny lalàna hanao izany.Manao tatitra ny amn’ny zava-nitranga sy nisy fotsiny ny an’ny CENI hoy izy dia mijanona eo, ankoatry ny fampahafantarana ny vokatra vonjimaika.Efa mazava izany ny resaka eto fa misy ny zavatra tsy milamina momba ny voka-pifidianana loholona koa ho hita eo izay mety ho fanapahan-keviry ny HCC.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.