Politique

Tetikasa lehiben-dRajoelina Mihitsoka eo amin'ny fandresen-dahatra


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Ankilan'ny fihaonana an-tampony COP27 dia nisy ihany koa ny fihaonana teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenen'ny Émirats Arabes Unis, Sheikh Shakhboot bin Nahyan Al Nahyan,

hoy ny tati-baovaon'ny Fanjakana. Nambara fa tohin'ny fifampiresahana nandritra ny dian'ny Filoham-pirenena tany Emirats Arabes Unis sy ny nahatongavan'ny delegasiaona émiratis tany Madagasikara no votoatin'izao fihaonanan'ny fihaonana ny alatsinainy 07 novambra 2022 teo. Anisan'ny noresahan'ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fitaterana anabakabaka, ny famatsiana herinaratra sy ny fahavononan'ny orinasa goavana avy any Emirats Arabes Unis amin'ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro, hoy ny Fanjakana. Misy amin'ireny no zavatra notanisaina tamin'ny propagandy, saingy mbola mitohy ho velirano sy fampanantenana, izay toa midika hatrany fa poakaty ny paikady hoenti-manatanteraka fa ny zava-dehibe dia ny fahazoana vatom-pifidianana. Hatramin'izao toa mbola mandresy lahatra izay mety hahazoana mpiara-miombon'antoka sy mpamatsy vola, fa tsy araka ny nambara tamin'izany fa ny hahatongavana eo no ela. Toa mbola mibahan-toerana kokoa ny sary sy serasera, sonia sy "selfie",..
. Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT