Tetikasa ankohonana miarina

Ampanatenaina tany 624-2000m2 ireo hisitraka


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Tonga nijery ifotony ny fanatanterahana ny tetikasa « Ankohonana Miarina »

tany Fieferamanga sy Tsimahabeomby anatin’ny distrikan’Arivonimamo ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny sabotsy 20 janoary teo, karazana fisehoana fidinana ifotony ofisialy voalohany taorian’ny fijoroan’ny governemanta. Nambara fa anisan'ny andry telo iankinan'ny fe-potoam-piasana faharoan'ny Filohan'ny ny fitsinjovana bebe kokoa ny maha-olona sy ny sosialim-bahoaka, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ireo ankohonana marefo amin'ny alalan'ny tetikasa "Ankohonana Miarina". Ity tetikasa ity dia hanampy ireo ankohonana tena vonona hiarina amin'ny fiainana, hahaleo tena amin'ny alalan'ny fanomezana tany hambolena sy fiofanana samihafa, hoy ny tatitra. Nambara fa efa manomboka ny asa fanajariana ny tany sy fananganana ireo fotodrafitrasa fototra ilain'ireo mpisitraka ity tetikasa goavana ity, izay hatomboka ao Fieferamanga sy ao Tsimahabeomby II, distrikan'Arivonimamo. Trano fonenana, biby fiompy sy velaran-tany 624m² hatramin’ny 2000m² no omena isaky ny fianakaviana hisitraka ny tetikasa. Anisan'ny fiofanana omena azy ireo ny teknika Pfumvudza, izay efa nahitana fahombiazana tamina firenena afrikana maro, ka ankoatran'ny fomba fambolena manaja ny toe-tany sady hahazoam-bokatra tsara dia hisy ihany koa fiofanana momba ny fitantanam-bola omena ireo mpisitraka, hoy hatrany ny tatitra. Nanambara i Andry Rajoelina fa ny Fitondram-panjakana na ireo ozinina apetraka any an-toerana no anisan'ny hividy ireo vokatra mihoatra novokarin'ireo mpisitraka ny Ankohonana Miarina. Ho voakasik'ity tetikasa ity avokoa ny tanora, ny vehivavy, ny tsy an'asa sy ny zokiolona.
"Hanao ny ezaka rehetra isika hampandroso an'i Madagasikara ao anaty firaisan-kina sy ny firaisan-tsaina. Vahoaka mazoto sy mavitrika ny vahoaka malagasy fa mila entina amin'ny lalana tokony hizorany, araka ny vina izay efa napetrantsika ka hitondra ny vahoaka hiala amin'ny fahantrana ary hiavotra amin'ny fiainana isika." hoy I Andry Rajoelina. Andrasana izany ny vokatra ary ny irariana dia tsy hionona amin’ny santionan-javatra hanaovana serasera tahaka ny fahita hatrizay ary tsy ho ana ampahan’olona na vondron’olona ihany ny fisitrahana asa fampandrosoana sy fandrosoana fa tena hisy ny politikam-pirenena mazava sy vokatra azo tsapain-tànana eo amin’ny vahoaka sy ny firenena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT