Mifanohitra tanteraka amin’ilay lalàna tena misy ilay volavolan-dalàna nataon’ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa momba ny sata mifehy ny mpanohitra, hoy ny fanambaran’ireo depiote avy amin’ny Antoko TIM omaly teny Tsimbazaza.
Mbola hivory sy hifandinika miaraka amin’ny birao politikan’ny antoko izy ireo noho izany. Nambaran’ny sekretera Jeneralin’ny TIM Rtoa Olga Ramalason ihany koa, fa efa iny ny lalàna natao ho an’ny mpanohitra, ka tokony ho nampiharina. Nambarany fa ny mampiahiahy ny TIM dia ny tsy hahafahan’ny mpanohitra mihetsika manoloana ny hoe misy ny lalàna, dia ny mpitondra no hanao azy ho teritery. Manamafy hatrany izy fa ny lehiben’ny mpanohitra dia tokony ho avy amin’ireo nifandanja tao anatin’ny fifidianana, toy ny tamin’ny fifidianana filoha, ary indrindra indrindra misy ny depiote sy ny loholona avy amin’ireo. Tsy maintsy avy amin’ireo rahateo no hisian’ny adihevitra eny amin’ny parlemantera, fa tsy hoe eny an-dalambe no hanohitra. Mahakasika ny hoe mety hiainga avy ao amin’ny Parlemantera ny Lehiben’ny mpanohitra, dia misy tetika entina hanakanana an’i Marc Ravalomanana tsy ho filohan’ny mpanohitra ka hanaovana io kajikajy politika io hanovana ny lalàna. Tsy mety aminay sy toherinay izany, hoy izy. Misy ireo antoko sasany toa te hanakana ny TIM sy i Marc Ravalomanana. Raha ohatra izy tena mieritreritra ny hitondra ny anjara biriky eto anivon’ny firenena, dia niady mafy mba hanana depiote eny anivon’ny antenimiera, ary hanana loholona satria eo anivon’ireo lapa ireo no hisian’ny adihevitra demokratika, hoy ny valin-kafatra avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM. Aminay, dia ara-drariny sy ara-dalàna ny tokony hitarihan’ny filoha Marc Ravalomanana io fanoherana io, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.