Tetika handemena ny tolona

Ampihorohoroana ny kandida Ravalomanana


  • Zoma 20 Oktobra 2023

Miakatra ny daozin’ny herisetra politika. Nandefasana andian-tafika omaly teny amin’ny trano fonenan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Voalaza fa iraka handeha haka ny fiara Mercedes fampiasany sy hisambotra ny mpamily izay novoizina fa nandona nahafaty vehivavy mpanara-dia ny kandida iray izay tafiditra tao anatin’ireo andian’olona nisakana sy nisotasota tetsy Andavamamba. Nandeha hatra tonga hatramin’ny feo fa kasaina hosamborina ity Filoha teo aloha ity. Izy izay nanao antso tamin’ny tambajotran-tserasera mba hiakaran’ny mpanohana teny hanao andrimasom-pokonolona. Efa tonga teny an-toerana hatramin’ireny fiara ahafaka hibatana fiara hafa ireny mba hakana io fananany io, izay tsiahivina fa efa nangalarin’ny olon’ny tetezamita tamin’ny raharaha 2002. Raha ny tranga ny talata teo, mety naratra mafy I Marc Ravalomanana raha tsy io fiara io tsy laitram-bala nitondra azy io satria niaraka tamin’ny kibay, seza, vato,… ireo nisakana. Raha ny horonan-tsary, heverina fa ireo “gros bras” nokaramaina hihetraketraka ihany no nandona sy nanitsaka ilay ramatoa. Moa tsy ny volomboasary no irahina hihetraketraka etsy sy eroa, hanendaka, higafy, hanimba fananan’olona,… dia avy milaza ho lasibatra Lalaovina amin’izay ny serasera avy eo hivoizana fankahalana sy fandotoana na koa fitsaram-bahoaka sy ady an-trano mihitsy Kotrehina izay hamelezana kandida mba handemena ny tolona hitakiana fifidianana madio sy Fanjakana tan-dalàna Ankilany, tonga teny Faravohitra ny vahoaka mpiara-dia amin’ny Firaisankinan’ny kandida, ireo solombavambahoaka, ary tena tsy niala na efa maty masoandro aza omaly teny Faravohitra, nifanatrika tamin’ireo andian-tafika.


Mahakasika ilay ramatoa nolazaina fa nodomin'ny fiara nitondra ahy, nilaza ny Ambasadaoron'ny Vondrona Eoropeanina fa tsy marina izany, ary nazava ny sary nazava ny zavatra niseho tany fa tsy marina izany ary zavatra hafa no nahafaty azy! Izay no noresahany hoe manaraka akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara izahay ary fantatray daholo ny zava-misy! Jereo tsara koa fa dia tena mamorona lainga ry zareo ka aoka izay ity laingalainganareo ty re olona e! Izaho tao anatin'ny fiarako lazainareo fa nandona nahafaty azy, ny dokotera izay nitsabo azy dia nilaza mihintsy vao aninkao fa tsisy vokatry ny fandonana izany!, hoy i Marc Ravalomanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT