“Miankina amin’ny fanapahan-kevitra avy amin`ny governemanta ny fanapahana ny tetibola ilaina amin`ny fanatanterahana ny fifidianana ben` ny tanàna”, hoy ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo.
Na dia efa nandroso soso-kevitra aza ny CENI fa 45 miliara ariary no ilain`izy ireo amin’ny fifidianana monisipaly sy kaominaly. Azo heverina ihany koa ny fampihenana izay tetibola izay noho ny tsy fahampian’ny tetibolam-panjakana, hoy izy. Tsy maintsy misy ny famerana ny asa anatin`ny fikarakarana fifidianana toy ny tsy hanaovana intsony ny fanentanana ny mpifidy handrotsa-bato sy hampihenana ny tambin-karama samihafa sy ny isan`ireo olona tokony hahazo izany. Hampiasa fitaovana izay ho azo heverina fa moramora kokoa ny vidiny. Eo ihany koa ny fitaovana izay azon`ny fitondram-panjakana omena toy ny angidimby, fiaramanidina, ireo trano malalaka rehetra izay tokony hisy ny entana mba hampidina ny fandaniana araka ny azo atao. Manao antso avo ho an`ny trano printy nasionaly ny CENI mba hanome toky hahafahan`izy ireo amin`ny fanotana ireo bileta tokana sy taratasim-pifidianana samihafa ara-potoana. 50 andro ny fe-potoana tsy azo ihodivirana farafahakeliny hanotana ireo antontan-taratasy rehetra saropady ilaina amin`ny fifidianana. Tsy maintsy tanterahina eto an-toerana ny fanotana ireo rehetra ireo noho ny fampiharana ny politikan`ny fitsitsiana, hoy i Thierry Rakotonarivo. Maniry kosa ny CENI ho amin`ny fanatontosana mifanaraka amin`ny fenitra iraisam-pirenena sy ny fotokevi-dehiben’ny demokrasia eto amin`ny tany sy firenena hanatontosana ny fifidianana. Mangataka ny fitondram-panjakana hametraka ny tetibola izay heverin`ny CENI manatontosa izay fifidianana izay ao anatin`ny fotoana. Manantena ihany koa fandraisana andraikitry ny governemanta amin`ny fametrahana tontolo manodidina milamina manodidina ny fifidianana eo amin`ny lafiny fiarovana sy fandriampahalemana. Tsiahivina fa hiantohan`ny fanjakana malagasy tanteraka ity fifidianana ity. Mety hoeken`ny rehetra ve ny voka-pifidianana ? Nahoana no nandritra ireo fifidianana nifanesy no nahitana korontana kanefa ampy ny tetibola ? Amin`ity anefa dia tsy maintsy hisy ny famerana. Marihina fa miisa 1695 ny kaominina manerana ny nosy ary fifidianana roa no atao amina biraom-pifidianana iray.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.