Fantatra fa 28 miliara ariary no andrasan'ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ahafahana manatanteraka fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolotsaina ny 27 novambra ho avy izao nefa tsy mbola tonga eny amin'ny CENI amin'izao.
Nilaza ity vaomieram-pirenena ity fa efa vonona handray ireo antontan-taratasin'ireo kandidà maniry ho ben'ny tanàna sy mpanolotsaina amin'ny alakamisy 29 aogositra hatramin'ny 12 septambra ho avy izao. Amin'ity herinandro ity no andrasana ny tetibola avy amin'ny fanjakana hanatanterahana ny fifidianana monisipaly sy kaominaly. Nanamafy ny CENI fa miandry ny andraisan'ny fanjakana fepetra mba hahatongavan'ny enti-manana eo anivon'ity vaomieram-pirenena ity mba hanatontosana ny asa rehetra. Nilaza kosa ny teo anivon'ny CENI fa tsy mampiova ireo tetiandrom-pifidianana naroson'izy ireo izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.