Hatolotry ny minisitera tompon’andraikitra ambangovangony eo anoloan’ny fivoriana hitambarambe hataon’ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza anio talata maraina ny votoatin’ilay volavolan-dalŕna laharana 040/15 mikasika ny tetibolam-panjakana taona 2016.
Araka izay fanolorana ambangovangony izay dia tsy mbola hisy akory ny adihevitra hifanaovan’ireo tompon’andraiki-panjakana mpanatanteraka sy ireo depiote mpanao lalàna anio. Antenaina fa mba hanomboka ara-potoana ity fivoriana hatao ity fa tsy handairan’ny ora gasy fahita matetika eny amin’ity Lapa ity. Zava-dehibe tokoa mantsy no hodinihina ary tena iankinan’ny fiainam-pirenena mihitsy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.