Teti-dratsy ara-pifidianana

Manao didin’ny be sandry ny mpitondra!


  • Zoma 15 Septambra 2023

Mafampana ny toe-draharaha, ka namory ny Organe Mixte de Conception - National (OMC-NAT) ny Praiminisitra sady Filoham-panjakana Ntsay Christian omaly teny Mahazoarivo.

Fivoriana izay voalaza fa naharitra ora telo tany. “Miroso isika amin’ny zotram-pifidianana, hataontsika amin’ny 09 novambra, manamafy ny fiarahana misalahy. Nojerena ny handaminana ny filaminana sy fandriampahalemana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Toky no omenay eo anivon’ny OMC-Nat ny hisian’ny filaminana sy fitoniana amin’ny fiatrehana ny fifidianana”, hoy ny Praiminisitra. Toa notondroina ankolaka na mivantana mihitsy aza ho mpanakorontana ireo antoko sy kandida maneho sy manamafy ny ahiahiny mikasika ny zotram-pifidianana, ka isan’ny nohampangain’izy ho fanonganam-panjakana ny nanomezana ny fahefana hitondra ny firenena ho an’ny governemanta, raha tokony ho ny Filohan’ny antenimierandoholona. “Miantso ny mpanao politika, tsy fotoana hambolena korontana izao, tsy fotoana hampisarahana ny Malagasy. Manana andraikitra ny mpanao politika sy mpilatsaka hofidiana.Ny politika dia sehatra ifaninanan’ny mpanao politika. Misy didy aman-dalàna eto amin’ny firenena, ka tokony hajain’ny vahoaka Malagasy tsirairay, ary tokony hajain’ny mpanao politika ihany koa indrindra indrindra”, hoy hatrany ny Praiminisitra Ntsay Christian. Na eo aza ny adihevitra sy antso samihafa hisian’ny fifampidinihana, ka niantson’ny sehatra samihafa tahaka ny antoko sy ireo kandida ny hitarihan’ny FFKM ny fifampidinihana hikatsaham-bahaloana, dia toa manenjana kosa ny Governemanta fa tsy maintsy hizorana sy hajaina ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana. “Mizotra makany amin’ny fampanajana ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ny OMC. Noho izany no hiantsoana ireo mpanao politika, matoa nirotsaka dia tokony hankatoa ny lamina sy ny fepetra mikasika an’izany”, araka ny voalazan’ny Praiminisitra. Izany ve tsy mampitombina ny ahiahin’ireo kandida mikasika ny fitanilan’ny governemanta amin’ny kandida izay filoha teo aloha nametraka azy ireo hoe: terena handeha amin’izao ny fifidianana ho amin’ny tombotsoany? Efa hita taratra rahateo izany tamin’ny fampiharihariana mivantana ny fiandanian’ny Minisitra sasany amin’ny Kandida Rajoelina izay mifanohitra tanteraka amin’ny lalàmpanorenana any amin’ny andininy faha-39. Nisy minisitra efa nilaza nivantana fa mbola any amin-dRajoelina ny “administration” sy ny vola ka antony hanohanany azy. Noho ny tahotra hahasimba ny kajikajy sy tetika efa nomanina ve no tsy mamparisika ny fitondrana ankehitriny hisian’ny dinika sy toa manohitra izany ankolaka? Tahaka izany koa ny tsy nanasoniavana ihany koa ilay sata ara-pitondran-tenan’ny antoko sy kandida satria mifanohitra amin’ny làlan-tsaina sy teti-dratsy hitazonana ny fahefana?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT