Politique

Tetezamita TSARA ihany no vahaolana


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2011

Efa telo taona latsaka izao no nisian’ny hetsi-panoherana ny FAT. Toerana maro no efa nivezivezen’ireo mpitolona, nanomboka teny amin’ny kianjan’i Mahamasina, Ambohijatovo nandalo an’Anosy sy ny kianjan’i Magro Ankorondrano ka hatreny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka.

 Raha teto an-drenivohitra ihany koa no nahitana ny hetsika tany am-piandohana, ankehitriny dia efa mielipatrana manerana ny Nosy toy izay niseho tany Antsirabe, Toamasina, Toliara, Sambava, Mahajanga, Ambatondrazaka, raha tsy hiteny afa-tsy ireo. Ho an’ny etsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka manokana dia saika ahitana izany hetsi-bahoaka izany isan’andro na ririnina na fahavaratra na lohataona. Ny sabotsy lasa teo dia tomefy olona ny kianja. Nasongadin’ireo rehetra nandray fitenenana fa tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina na TSARA no vahaolana amin’izao krizy izao. Araka ny fahitan’ny solontenan’i Moramanga azy mantsy dia toa zimbazimbain’ny FAT ilay sori-dalana nosoniavina 21 andro lasa izay. Notanisainy tamin’izany, ohatra, ny fikasan’ireo mpiray firehana amin’i Andry Rajoelina hanolotra praiminisitra.

Araka ny voasoratra ao amin’ilay sori-dalana anefa dia olona tsy avy amin’io ankolafy misy azy ireo io no halefa ao. Eo koa ny fanovana tokony hatao amin’ireo rafitra sasany toy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ireo rafitra mila ravana koa dia mbola eo daholo ihany. Ireo rehetra ireo no midika, hoy ny nandaha-teny fa na Rajoelina aza tsy mahafehy ireo olony, na izy mihitsy no minia manitsaka ny sori-dalana ka tsy mety amin’izy ireo. Ho an’i Olivier Rakotovazaha moa dia tsotra ny resaka, paikadin’ny Frantsay io familiviliana ny sori-dalana io sy ny fanakanana ny filoha Marc Ravalomanana tsy hody an-tanindrazana. Mila miomana amin’izay fodian’ny filoha izay mandrakariva anefa ny vahoaka, hoy izy. Momba ny zoma fanomezana ataon’ny FAT dia nambaran’ny depiote Jules Andriamaholison fa asa sy fahafahana miasa no tena ilain’ny vahoaka amin’izao fotoana izao satria mila mivelona sy fahafahana mivelona sy miasa izy fa tsy fanomezana sakafo toy ireny izay toy ny karazana fanambaniana ny Malagasy ihany. Anisan’ny tokony hifotorana, ohatra, ny famerenan’ny fanjakana amerikanina ny AGOA eto amintsika. Raha tafapetraka mantsy ny tetezamita tena izy, hoy izy dia mba mety hiverina ho an’i Madagasikara ihany izy io.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT