Politique

Tetezamita Maro ireo Faritra tsy manaiky an-dRajoelina hitantana


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011

Rehefa nandinika ny zava-misy tamin’ny fotoana naha teto ny filoha Ravalomanana sy ny taorian’ny nialany teto dia nisehoan-javatra tsy mbola fahita masoandro hatramin’izay fitondrana rehetra nifandimby tamin’iny faritra tapany atsimon’ny nosy iny.

 Araka ny fanazavan’ireo raiamandreny avy any an-toerana, dia tsy mbola nisy vaky fasana izany tany Androy raha tsy tamin’izao fitondran’ny FAT izao. Tsy mbola nisy koa fanafihana mpampianatra izany raha tsy tamin’izao fitondrana FAT izao, hoy ihany ingahy Sazalahy, avy amin’ny Tokobe Telo. Ho an’i Toliara indray dia lasa mamahana ny malaso ny vahoaka noho ny tahotra azy ireo satria tsy misy mpiaro. Hany ka zary mpitondra fanjakana kely ny malaso any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Ankoatra ireo rehetra ireo dia mikaikaika mafy ny vahoaka satria tapaka avokoa ny fanamboarana fotodrafitrasa rehetra izay efa vita sonia sy neken’ireo mpamatsy vola dia ny eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina, efa nankatoavin’ireo olom-boafidy tamin’ny fotoan’androny rahateo koa izany.

Anisan’izany, raha ny fanazavan’ny senatera Mosa Tahiry ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ihosy sy Tolagnaro. 100 tapitrisa dolara, ohatra, no tokony ho nanamboarana ny lalana mampifandray an’Ambovombe sy Tolagnaro, mirefy 110 km ary 178 tapitrisa dolara ny mampitohy an’Ihosy amin’Ambovombe. Tokony ho vita ny 12 martsa 2012 ireo fotodrafitrasa ireo, raha ny fanazavan’ity loholona ity, kinanjo dia nidaboka avokoa. Telo andro anefa no hanefan’ny vahoaka io lalana io noho ny faharatsiany. Raha handeha fiaramanidina indray dia niakatra ho 4 hetsy ariary ny saran-dalana ho amin’izany, raha 6 alina sy 2 hetsy ariary teo aloha. Ankoatra io lalana Ihosy Tolagnaro io dia efa vita fifanarahana ihany koa ny mampifandray an’i Tolagnaro amin’i Vangaindrano izay tafiditra tao anatin’ny FED andiany faha-10 saingy votsotra ihany noho ny nataon’ny FAT.

Manginy fotsiny ny mampitohy an’Ambovombe sy Andranovory, sy ny tetikasa fitarihana rano manomboka ao Tolagnaro ka hatrany Ambovombe amin’ny alalan’ny “pipeline” na fantsona lehibe hahazoan’ny tanàna maro rano. Hatramin’izao moa dia tsy nisy natomboka ireo tetikasa goavana rehetra ireo. Nisy fikasana koa hanamboarana ny lalana mampitohy an’i Toliara-Morombe- Morondava, efa nekena izany asa izany ary tokony natomboka ny volana mey 2009 saingy dia votsotra daholo. Manoloana ireo rehetra ireo dia maneho ny alahelo sy ny fijaliany ny vahoakan’ireo faritra efatra dia Atsimo Andrefana, Menabe, Androy ary Anosy satria nanantena fiovana kanefa dia fiovana ho amin’ny ratsy lavitra kokoa no lasa niainany. Izany indrindra no mahatonga azy ireo hifikitra amin-dRavalomanana mba hahazoan’ity farany hanohy ireo asa rehetra efa nataony.

«Tsy misy olona afaka hamoaka anay amin’ny fahantrana raha tsy Ravalomanana», hoy ireo raiamandreny avy any an-toerana. Noho izany dia ny tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina no metimety aminay satria tao anatin’ny telo taona nitondrany dia nitotongana ny fari-piainana ary zary lasa ohatra ratsy mihitsy izy. Tao anatin’izay fotoana nitondrany teo izay koa, araka ny fanazavana dia tsy mbola nandingana na tany Androy, na tany Anosy i Andry Rajoelina. Mitanila ihany koa ny fizarana tombontsoa. Manoloana izany indrindra àry dia milaza ireo raiamandreny avy any amin’ireo faritra 4 ireo fa «ampy izay ny fanambakana».

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT