Tetezamita iraisana Ho mpandray anjara ny AMF

3FM


  • Talata 15 Novambra 2011

Tsy ho mpitazana fotsiny fa dia ho mpandray anjara feno amin’izao tetezamita iaraha-mitantana an-dalam-pananganana izao ny AMF/3FM tarihin’ny Rév Satrobory.

 Mahatsiaro manana andraikitra izahay hanavotana ny maro an’isa madinika ka niatrehany ny tolona izay nampitondra faisana anay mpitarika, araka ny fanambarana nataony omaly. Notsiahiviny tamin’izany ny endrika fandraisana andraikitra nataony, toy ny nanolorany tena ho mpampihavana an’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Nirina Rajoelina, amin’ny maha raiamandreny am-panahy azy, hilaminan’ny firenena, hiverenan’ny asa sy fandriampahalemana tsy hisian’ny ady an-trano. Amin’izao vanim-potoana hananganana governemanta, tafiditra amin’ny fampiharana ny tondrozotra izao dia nambaran’ny Rév Satrobory fa nanolotra anarana telo teny amin’ny Lapan’ny praiminisitra Mahazoarivo hatao minisitra amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena ny AMF/3FM. Nambarany fa ny sosialy no rafitra irotsahan’izy ireo dia ministeran’ny fahasalamana, ny fampianarana fototra ary ny fanatanjahantena. Tsy hijanona eo fa dia hitohy hatrany amin’ny fanolorana olona ho mpikambana amin’ny CST, CT, CENI indrindra ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena izany. Manana olona mendrika sy vonona amin’ireo rafitra ireo ny AMF/3FM, hoy Rév. Andrianalijohn Ndriamanampy. Na izany aza, hoy ity farany, dia modely tsara no nataon’ny filoha Zafy Albert ka tsy voatery ho AMF/3FM no hatolotray fa izay mendrika sy manana traikefa.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT