Politique

Tetezamita iaraha-mitantana Iza no ho praiminisitra ?


  • Alarobia 28 Septambra 2011

Na tsy mazava tsara aza no hananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana dia efa ho herinandro mahery kely izao no mandeha ny tombantombana ny amin’ireo mpanao politika mety hitana ny toeran’ny praiminisitry ny fampihavanam-pirenena, araka ny voasoratra ao amin’ilay sori-dalana, izay tsara homarihana ihany fa tsy mitovy fiaviana amin’ny filohan’ny tetezamita no sady tsy nivoaka avy amin’ireo vondrona sy antoko politika manohana azy.

 Raha ny tokony ho izy dia na avy amin’ny Ankolafy 3, na avy amin’ireo tsy momba ny atsy na ny aroa io praiminisitry ny tetezamita io. Efa maromaro ihany ireo anarana mivoaka. Mahatratra 30 mahery saingy misy ireo azo lazaina hoe tsara toerana, anisan’izany Atoa Mamy Rakotoarivelo lehiben’ny delegasionin’ny Ankolafy Ravalomanana. Efa voatendry ho filohan’ny Kongresin’ny tetezamita araka ny fifanarahana tany Maputo, hita foana tamin’ireo fihaonana teto an-toerana sy tany ivelany. Ny olana kely aminy anefa dia mitovy fiaviana amin’ny filohan’ny tetezamita izy satria samy avy eto amin’ny faritanin’Antananarivo izy mirahalahy.

Eo ihany koa i Monja Roindefo, filohn’ny antoko MONIMA, praiminisitra voalohan’ny FAT, nivadika ho mpanohitra taorian’ny nanilihana azy. Miezaka ny mijoro ho elanelam-panahy amin’ireo hery politika mpifanandrina anefa izy tato ho ato izay. Tafiditra ao anatin’ity lisitra ity koa Atoa Pierrot Rajaonarivelo, minisi-panjakana misahana ny toekarena ao amin’ny governemanta ankehitriny, filoha mpanorina ny MDM. Manana ny toerany eo amin’ny tontolo politika satria efa nitana andraikitra goavana maro, efa masoivohon’i Madagasikara tany Etazonia, minisitra lefitra nisahana ny tetibola, avy Sekretera nasionalin’ny antoko Arema. Noeritreretin’ny maro fa kandida tokana afaka nandresy an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2006 saingy tsy tafiditra teto Madagasikara. Anisan’ireo mbola tafiditra ao anatin’ny lisitra ihany koa Atoa Tantely Andrianarivo, praiminisitra farany tamin’ny nitondran’ny amiraly Ratsiraka, anisan’ireo voatery nanao sesitany ny tenany nandritra ny fitondrana Ravalomanana kanefa dia nisafidy ny hihavana amin’ny rehetra fa tsy hamaly faty.

Atoa Alain Tehindrazanarivelo ihany koa dia eritreretin’ireo mpanara-baovao politika fa mahafeno ny fepetra ho praiminisitry ny tetezamita satria hita fa tsy momba ny atsy na ny aroa, tsy mba anisan’ireo mpanao politika nitabataba na dia very seza aza ary mahay miresaka tsara amin’ny andaniny sy ny ankilany no sady mahay mifandray amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa. Santionany ihany ireo fa mbola maro ireo anarana efa mivezivezy any amin’ny etamazaoro politika tsirairay any, tahaka ny profesora Ranjeva Raymond, ohatra, na Atoa Henri Roger Ranaivoson olona mahatokin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Efa manana anarana maromaro koa ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert na dia tsy mbola namoaka izany tamin’ny fomba ofisialy aza. Hita fa ratsy toerana kosa ny praiminisitra ankehitriny Camille Vital satria efa hita mibaribary fa olon’i Andry Rajoelina, manimba ny kajiny koa ny maha jeneraly mbola am-perinasa azy satria efa manomboka mitovy hevitra ihany ny vondrona politika rehetra amin’ny hoe : aleo sivily mpanao politika no hatao praiminisitra fa tsy miaramila izany. Mety ho tena olom-baovao tanteraka koa anefa io praiminisitra io fa tsy ao anatin’ireo anarana mpanao politika efa fanta-daza ireo.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT