Tsy misy zavatra mandeha ho azy, hoy ireo mpitari-tolona nandaha-teny tao amin’ny kianjan’ny Magro omaly, manoloana ny fanolorana anarana kandida ho praiminisitra indray.
Nifamahofaho be ihany tokoa mantsy ny hevitra ary somary nisavoritaka ny sain’ireo mpiara-dia amin’ny Ankolafy telo manoloana iny toe-javatra nitranga ny alarobia lasa teo, teny amin’ny Le Paon d’Or iny. Niezaka nampitony sy nitondra fanazavana moa ireo mpitarika teny an-kianja. Anisan’izany, ohatra, ny filazan’ny depiote Jules Andriamaholison fa vokatry ny fifampiraharahana tamin’ny Troika no nampiova ny fanapahan-kevitra tamin’ny ora farany. Tsy manana safidy intsony koa i Andry Rajoelina, araka ny fanazavany satria tongotra mby an-dakana ny an’ny Troika ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Andraikitra napetraka tamin’ity vondrona ity rahateo izany, ary manara-maso azy izao tontolo izao amin’ny fanatanterahana izany. Karazana tsindry manjo azy io ka tsy maintsy hahavitany ny iraka hatramin’ny farany.
Tsy mitombina, hoy ny depiote Camille Mektoub ny filazana fa mipasaka ny Ankolafy telo. Lany andro izay miezaka mampiady sy mampisaraka ireo Ankolafy telo, hoy ihany izy. Raha dinihina, hoy i Mektoub, ireo kandida narotsak’ireo antoko politika hafa dia tsy hisy ho tavela intsony afa-tsy izay kandidan’ny Ankolafy telo satria olona efa saika niray petsapetsa tamin’ny FAT sy ny filohany avokoa izy ireo. Araka ny vaovao nampitain'i Mektoub ihany dia voalazany fa efa fantatra izay ho praiminisitra saingy tsy mbola lazaina. Nambarany ihany fa efa tsy any amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana intsony ny adihevitra amin’izao fa any amin’ny asa hatrehina aorian’ny fahatongavany eto an-tanindrazana.
Manana adidy sy andraikitra ny tsirairay, hoy ihany i Mektoub ary eo vao tena hanomboka ny asa. Ny zava-misy, hoy izy dia rava toy ireny tany niady nandritry ny 25 taona ireny i Madagasikara ka tsy ho mora ny fanarenana. Potika avokoa ny zavatra rehetra, eny hatramin’ny fiarahamonina, ny toekarena sy ny maro hafa. Tetsy andanin’izany dia nasian’ny depiote Rakotomanjato Rodin, resaka ny momba ireo minisitra efa nametra-pialana kanefa dia mbola manohy asa hatrany. Ny sasany, ohatra, mbola mivarotra tany, araka ny fanazavany, ny hafa indray mbola misisika hanao tolo-bidy iraisam-pirenena ireo harem-pirenena. Mila hatsahatra avokoa izany, hoy ihany ity solombavambahoaka ity. Andrasana ny tena tetezamita iaraha-mitantana. Tsy ho afa-bela ireo nanao tantely afa-drakotra ny firenena, hoy ihany ity olom-boafidy. Araka ny vaovao moa dia mbola hitondra fanampim-panazavana momba izany ny profesora Zafy Albert rahampitso sabotsy ao amin’ny kianjan’ny Magro ihany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.