TENA TOLOM-BAHOAKA

Sarotra ny mampangiana ny olona resy lahatra


  • Alatsinainy 06 Oktobra 2025

Avaratra, atsimo, andrefana,, atsinanana tena

mihetsika i Madagasikara iray vohitra taorian'ny antso nataon'ny olomboafidin'ny kaominina sy ireo tanora Gen Z. Somary nilamindamina sy azo atao mihitsy hoe nangiana tany am-boalohany. Ankehitriny kosa anefa Malagasy efa ana hetsiny no mihetsika, midina an-dalambe, milaza ny heviny ary miantso ny fialan'ny Filoham-pirenena. Matoa i Andry Rajoelina nandrava governemanta sy io miantsoantso fifampiresahana io dia fantany tsara fa tolom-bahoaka izao misy eto Madagasikara izao. Hita sy tsapa ilay firaisankina, ny malagasy mifanampy ara-bola, ara-pitaovana mba hampandeha tsara ny tolona. Misy ny fizarana rano, sakafo, aro vava orona, satroka.Eo ihany koa ny fitsaboana ireo maratra, ny fanampiana azy ireo raha misy ny tsy maintsy idiirana hopitaly.Maimaimpoana izany rehetra izany. Tena tonga saina ireo olom-pirenena fa tsy maintsy mifanampy raha te ho tafita, tsy karamaina na nampanantenana toerana sy seza ireo fa miasa ankitsipo satria tonga ny fotoana tsy maintsy handraisana andraikitra dia io fa samy mitondra ny anjara biriky avy araka ny fahafahany sy ny fanomezam-pahasoavana ananany. Sarotra ny manampim-bava, mampangiana sy manakana izany, tena sarotra. Faharesen-dahatra, fitiavana no manosika ary tsapa fa ambony be ny finoana ny amin'ny tsy maintsy handresen'ny tolona. Maro ireo nitazatazana tany am-boalohany no efa tonga manatevin-daharana ny tolona ary mbola maro ireo ho avy manomboka anio.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT