Tena matahotra fipoahana ny Fitondrana

Manadio tena sy mifampiaro amin’ny ratsy…


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Miharatsy sy miha mikoroso fahana hatrany ny fiainam-bahoaka eto amintsika,

saingy tsy dia maharototra firy ny fitondram-panjakana. Miharatsy ny toe-draharaha amin’ny ankampobeny! Mbola fanadiovan-tena aza no ezahana hafafy teo anatrehan’ny filazan’ny orinasan-tserasera Watson fa ny 80,7% amin’ny Malagasy no mahantra fadiranovana miaina ambanin’ny 2,15 dolara isan’olona isan’andro. Mbola nampian’ny Filoham-pirenena io ny herinandro lasa teo, ka nilazany fa tsy ekeny ny filazana fa ambanin’ny 600 dolara isan’olona ny harin-karena na PIB/Habitant eto amintsika satria betsaka ny asa tsy ara-dalàna eto tsy voakajy, hoy izy. Eo amin’ny 260000Ar isam-bolana ny karama farany ambany na SMIG (Salaire Minimum d'Embauche) eto amintsika kanefa mbola betsaka no mikarama ambany lavitra be noho io dia izany ve no mbola lazain’ny Filoham-pirenena fa mety ? Rehefa adino ny firesahana an’i Comores izay nolazaina tamin’ny 2018 fa isika indray no hampindram-bola azy rehefa Rajoelina no tonga Filoham-pirenena dia niova nitanisa firenen-kafa indray. Ilay Comores nohambaniana mantsy efa lasa lavitra be ara-toekarena noho isika. Nolazaina fa mbola mandroso noho i Somalie, Mali, Soudan,… isika. Ireny sisa no hanaovana fampitahana amin’i Madagasikara ? Tsy finiavana hamerimberina ireny resaka hafahafa ireny, fa miharihary hatrany hoe : Fitondrana tsy hanaiky ho tompon’andraikitry ny fahapotehan’ny Firenena mihitsy ny Fanjakana Rajoelina, ary mbola sahin’ny Filoham-pirenena aza no nilaza tsy mora ny firenena nentintsika, nanarina ny tsy fetezana maro, tsy fahaizana mitantana maro. Isaky ny nandray fahefana anefa na ny tamin’ny 2009 na ny tamin’ny 2019, dia niha nivarina hatrany ny Firenena na ara-toekarena na ara-tsosialy.

MIFAMPIARO NOHO NY SEZA SY TOMBOTSOA
Ankehitriny, io miharatsy hatrany io ny fiainam-pirenena, betsaka ny ambana,… saingy tsy manana paikady sy vahaolana hiatrehana an’izany ny Fitondrana Rajoelina. Sarotra ny hino sy hanantena fa hisy ny fahagagana, fa dia fitantanana krizy, famonoana afo, fampanantenana lava, serasera hanarontsaronana ny zava-misy, fanampempoana vahoaka tsy hitroatra,… no hany hafafy andro aman’alina eto. Mitombo ny fahatezeram-bahoaka, ary ahiana ny mety hisiana endrika fanehoam-pahatezerana samihafa. Ranolava ny serasera sy fanambarana miantso fitoniana, fanesoana vahoaka filazana fa miasa sy mamaha olana ny Fanjakana,… kanefa tsy hita izay eo. Nampiasaina ny antoko samihafa mpanohana, nampitenenina ny vondrona depiote mpisolelaka fa tsy mpanara-maso ny fahefana mpanatanteraka ? Efa izao fahoriam-bahoaka tsy roa aman-tany izao ve dia mahita ireo lazaina fa solombavambahoaka fa mahomby ny Fitondrana ? Fampihenana ny kapoakan’ny vary hafarana ho 750Ar afaka iray volana sy tapany ve no antsoina hoe vahaolana ? Ahoana ireo zavatra hafa izay tsy mitsaha-miakatra ? Ahoana ny fiatrehana ny mbola mety fiakaran’ny vidim-piainana efa tena avo eo anatrehan’ny mety ho fampiharana ny vidin-tsolika tena izy na « vérité de prix » izay efa atomboka amin’ny solika fandrehitra ny fampiakarana ? Tsy misy antenaina fa ny herivelona rehetra eto amin’ny Firenena no mila miara-mijery izay tokony hatao… Asa hanao ahoana ny toe-draharaha politika eto, indrindra aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy ?
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT