Tena manahy rotaka ny Fitondrana

Niditra an-tsehatra koa ny Prefen’Antananarivo


  • Talata 14 Janoary 2025

Ranolava hatrany ny fanambarana ataon’ireo olom-panjakana sy olon’antoko na vondron’antoko mpanohana fitondrana.

Niteny tamin’ny haino aman-jery ihany koa ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Angelo Ravelonarivo omaly, ka nilaza fa fanaovana fitoriana eny amin’ny Tribonaly misahana ny ady ifanaovana ny Fanjakana sy misahana ny ara-bola na TAF ihany no eken’ny lalàna, raha ny resaka fifidianana. « Ho avy ny fanambarana ny valim-pifidianana feno. Isika tany tan-dalàna ka misy ny izay hahafahana mametraka fitoriana dia ny TA, fa ny ankoatra izay dia tsy eken’ny lalàna. Tsy eken’ny eto amin’ny Prefektiora ny fikasana hanao fivorivoriana. Zava-dehibe ny loharanom-baovao, efa fantatra ireo fivorivoriana isan-karazany, ka tany misy Fanjakana sy tan-dalàna eto ka aoka hanaja lalàna mba tsy hisian’ny olana», hoy io manamboninahitra io. Nambarany fa rehefa tsy manohintohina ny fiandrianam-pirenena sy fanjakana tan-dalàna dia tsy maninona, fa raha misy hevitra hafahafa dia tsy azo ekena. Tsy dia ilaina ny fangatahana raha fivoriana anaty efitrano, kanefa tsy maintsy ho fantatray ny antony na ny tetika raha misy tetika hanohintohina ny filaminam-bahoaka, hoy hatrany ny Prefen’Antananarivo. Andaniny, efa nisy ny fifanentanana sy fampahafantana ary fifandresen-dahatra amin’ny samy antoko mpanohitra hisian’ny fihaonana ny zoma 17 janoary izao, saingy tsy mbola fantatra ny toerana sy ny votoatiny. Ankoatra ny Prefe, taorian’ireo olona sy vondron’olona samihafa, nanao fanambarana ihany koa ny Antenimierampirenena notarihin’ny Filohany Atoa Tokely Justin niantso mba hisian’ny fitoniana sy hanajana ny soatoavina Malagasy mba hiandry ny valim-pifidianana. « Tany demokratika isika, ary manaja ny safidim-bahoaka, ary tokony hajaina ireny rafitra napetraka ireny hanao ny asany », hoy ny fanambarana. Niteny ihany koa ireo depiote IRAMA 5 lany teto Antananarivo, nilaza fa miray hina hampandroso an’Antananarivo ireo depiote IRMAR ireo. Nolazaina fa leo korontana sy mila fandrosoana ny vahoakan’Antananarivo. Rehefa tarafina amin’ireny rehetra ireny, dia miharihary fa mahatsiaro ambana sy tsy fahamarinan-toerana ary manahy fipoahana ny mpitondra ankehitriny, ka io ranolava io ny fanambarana mitovitovy. Raha toa ka ho avy tokoa ny korontana isan’ny fototra voalohany ny Fitondrana eo anatrehan’ny tsy fahaiza-mitantana, amboletra, fifidianana maloto,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT