Politique

Tena mafana ity taona 2023 ity “Hanao fanambarana ny Firaisankina Sendikaly ato ho ato”


  • Zoma 13 Janoary 2023

Tsy takona afenina ny zava-misy, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny firaisankina sendikaly eto Madagasikara na SSM, Fama Razafimahazo.

Raha nandray karama, hoy izy, ny mpiasam-panjakana ny faran’ny taona 2022 dia nandray karama tamin’ny datin’andro nihoatra. Navoaka mihitsy ny naoty fa tsy mandray ilay fankasitrahana na “prime”. Nisy mpiasam-panjakana namana tany amina andrim-panjakana hafa na minisitera hafa anefa sady nandray karama no nahazo “prime”. Ny anay ato amin’ny antenimierandoholona manokana, ny karama desambra 2022 no azo fa ny “prime” fandray isan-taona tsy azo. Ny sendika tsy nanaiky ary tsy manaiky sy tsy hanaiky izany “prime” tsy ho azo izany. Nisy ny fihaonako tamin’ny filohan’ny antenimierandoholona ny 30 desambra 2022 ary dia nifametrahana sy nifanarahana fa ho aloha aminay io trosa na “prime” anay io ato ho ato, izany hoe amin’ity voalohan’ny taona 2023 ity. Tena mafana tokoa ity taona 2023 ity ary manara-maso akaiky izany ny sendika tsirairay avy ary izay no nahatonga ny SSM nanaitaitra ireo sendika fototra mivondrona ao anatin’ny valaben’ny sendikan’ny firaisankina eto Madagasikara hifanentana satria hifarana ny 15 janoary izao ilay teny nifanomezana tamin’ny fahefana mahefa hamahany sy hanatanterahany ireo fitakiana ny 30 novambra 2022. Hanao fanambarana ny SSM ato ho ato ary efa manomana toerana izahay hahafahana manao fivoriambe miaraka amin’ny mpiasa malagasy rehetra hanaovana ny teny ifampierana sy ny hetsika iaraha-manatanteraka, hoy hatrany ny tenany.
Legende: Fama Razafimahazo
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT