Politique

Tena efa mandrovi-tsihy ny Fanjakana Natao tsara ambina indray ny Magro


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Nitohy ny sabotsy 03 septambra 2022 lasa teo ny fanaovana andrimaso ny Magro Behoririka. Niantrana teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana izay nentina fiarabe sy fiara tsy mataho-dàlana.

Noho ilay fanambarana nataon’ny mpanohitra any Lafrantsa nilaza fa hanao hetsika goavana ny 03 septambra ve? Tsy vao izao no natao andrimaso io toerana io, fa zary fahazaran’ny Fanjakana no mandefa mpitandro filaminana eny, ankoatra ny sakantsakana samihafa atao amin’I Marc Ravalomanana. Tena izao ve no hanaramana ireo mpitandro ny filaminana? Ny vahoaka etsy andaniny aripaka ny jiolahy sy ny dahalo, tahaka ny toe-javatra miseho any Morondava amin’izao. Lasa fampiadiana ny mpitandro filaminana amin’ny vahoaka sy ny mpanao politika ny zava-miseho ankehitriny. Endrika iray maneho ihany koa io amin’ny politika, fa efa tena toran-kovitra ary mihorohoro tanteraka amin’ny toerany ny Fanjakana ankehitriny. Tsy mahatoky tena intsony ny fitondrana, tsy mahatoky valera, tsy mahatoky ny vokatry ny fiantraikan’ny asany amin’ny vahoaka, krizy mandavan-taona ny firenena,… Mandrovi-tsihy araka ny fomba fiteny ny fitondrana Rajoelina hany kanefa vao mainka manao zavatra mampitombo ny fankahalan’ny olona azy, toa zary ataon’ny olom-pirenena fihomehezana sisa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT