Te ho "super hero" ianareo mianakavy

Ahoana ry jean be aaa, dia hita mihitsy hoe


  • Alarobia 31 Janoary 2024

iray tarika amin-dry jean kely sy ry Jean naivo ianao. Avela elaela eo ilay olana,

avela mihitsy aloha mimenomenona ny olona, atao mihitsy izay hahatonga any amin'ny faratampony ny faharesena na ny fahatezerana. Dia indro tonga ianareo fa hoe hitondra vahaolana, hamaha ny fatorana, miaraka amin'ny mpaka sary sy ny mpaka feo. Dia entinareo eo ny fitaovana, izay tsy hita nandritra ny volana maro dia raikitra fa hoe atomboka ny asa ary tsy azo ekena intsony mihitsy ny tahaka izao.Hitako mihitsy ilay fihetsikao tery amin'ny zaoridira maimbo be aman-taoniny nanakana ny arabe. Tahaka ny hoe tsy mponina eto ve ianareo ry jean be no mody gaga mahita an'io fako efa lasa tendrombohitra io aaa...marina fa hoe fitaratra mainty ny fiaranareo, mety misy tsio-drivotra manitra ihany koa ny ao anatiny, fa na dia izany aza ry jean be aaa.... Zavatra efa miharihary tahaka ny tafika andrefan-tanàna io ve ry jean be dia tsy tazana fa tena sinema ny anareo no betsaka a. Rehefa mahatsiaro reraka na resy sy tsy mahita hisarangotana intsony iny ilay vahoaka dia mipoitra tampoka avy any ianareo fa hoe hamonjy, tahaka an-dry superhero amin'ireo Film malaza toa an-dry Superman, Batman, Ironman, Captain America. Dia hampanantena be eo, dia hoe hiady amin'ny fahavalo, dia antsoina hoe mpanavotra e. Tena hainareo ilay manabado vahoaka ry Jean a..fa izao : ra tena te ho Superhero tena izy ianareo dia reseo ny Mafia manageja ny toekarena, sahia miady amin'ireo mitady handrapaka ny jirama, tairo amin'izay ny don-databatra amin'ireo mpandraharahan'ny solika maka tombom-barotra mihoapampana. Raha vitanareo izany ry Jean, izay ianareo vao tena superhero, fa raha io hetsika taitaitra io dia mpanjakan'ny tapi-maso sy ny fitaka manarapenitra ihany aloha ianareo. Tsy mandaitra mandrakizay anefa io fa tandremo aa.
Marco, tena maharaka film tsara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT