Tatitry ny mpanara-maso SAFIDY

« Zotram-pifidianana tsy eken’ny


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

rehetra, tsy manaja ny zon’olombelona »

Voalohany tamin’ny tantaran’ny fifidianana no nisy fanemorana herinandro, ary tsy mbola nisy taha-pahavitrihana ambany toy izao ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara, hoy ny Firaisamonim-pirenena SAFIDY, izay nanara-maso ny fifidianana. Nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fandaminana ny raharaham-pifidianana ny tsy fahampiana fahaiza-manaon’ny maro tamin’ireo mpikambana mandrafitra ny biraom-pifidianana. Nihena ho 43,8% ny taham-pandraisana anjara tamin’ity fifidianana 2023 ity raha ny salan’isa azo avy amin’ny santionana biraompifidianana miisa 2876 narahan’i SAFIDY maso. Isan’ny antony heverina fa manazava ny antony ny fitotonganan’ny fahatokisana ireo rafitra miantsoroka ny fifidianana dia ny CENI sy ny HCC. Ny fandavana faobe ny zotram-pifidianana avy amin’ny “collectif des candidats” (fampielezan-kevitra sy fandatsahambato) vokatry ny fahatapahan’ny fahatokisan’izy ireo ny andrim-panjakana sy fitsarana misahana ny fifidianana, raha ny fanazavana. Naneho ny SAFIDY fa nisy ny fahasarotana nosedrain’ireo mpanara-maso fifidianana avy aminy nandritra ny fanatanterahany ny asany. Nisy ny tsindry sy fampitahorana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana sy ireo tomponandraikim-panjakana teny an-toerana. Nanipika izy izy ireo fa nodian’ny fitondram-panjakàna tsy hita ny fisian’ny krizy mialoha ny fifidianana. Nolaviny ny fangatahana fifampiresahana na dia teo aza ny andraikitra noraisin’ireo mpisehatra samihafa. Nosokajiany ho zotram-pifidianana ao anatin’ny fihenjanana sy tsy eken’ny rehetra, miaraka amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona no nisy. Tao anatin’ny tsy fisiana fitoviana manoloana ny lalàna noho ny tsy fisian’ny fampiharana sy/na fitanilan’ny fampiharana izany ; fiandanian’ny sampandraharam-panjakana amin’ny alalan’ny fandraisana anjaran’ireo mpiasam-panjakana tamin’ny fampielezan-kevitra sy ny fanapahankevitra ; firoboroboan’ny fomba mamohetra nandritra ny fampielezan-kevitra toy ny fampielezana vaovao tsy marina, fifandrangitana sy fanalam-baràka ; fitohizan’ny tsy fahatomombanan’ny lalàna mifehy ny fifidianana noho ny tsy fisian’ny fanatsaràna na teo aza ny haitaky sy sosokevitra avy amin’ny mpisehatra nasionaly sy iraisam-pirenena,… Io fihenan’ny taham-pahavitrihana io dia mety hitarika tsy fahamarinan-toeran’izay filoha voafidy ary hamparefo ireo rafitra ara-panjakana, hoy ny Firaisamonim-pirenena SAFIDY.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT