Mbola miteraka resabe eo amin'ny tontolo politika hatramin'izao ilay nambara fa taratasy avy any amin'ny Troikan'ny Sadc miarahaba ny fanendrena an'i Omer Beriziky sy midera ny eritreritry ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina ny hametrahana toerana praiminisitra lefitra.
Leom-boanana mantsy ka tsy tia zava-boribory ny olona sasany. Raha izay fanambarana avy any ivelany isan-karazany niarahaba sy nampirisika antsika Malagasy izay tokoa mantsy no jerena dia tokony ho efa ela no nivaha ny krizy ary niverina ireo famatsiam-bola avy any ivelany. Mampiahiahy ireo mahalala tsara ny fomba fiasan'ny vondrona SADC ihany koa ilay hoe herinandro aty aorian'ny fanendrena vao mivoaka ilay taratasy fanambarana ary nifanandrify indrindra tamin'ilay fanambaran'i Marc Ravalomanana ny zoma lasa teo fa hoe tsy hiditra amin'ny governemanta Beriziky ny ankolafy tarihany. Somary manaitra amin'ity taratasy ity ihany koa dia tsy misy sonia sy anarana mazava ilay izy fa eny amin'ny ambanin'ny pejy fotsiny no ahitana hoe : «Emise par le Secrétariat de la SADC”.
Efa tsaroana ihany mantsy ny savorovoro nateraky ny taratasy sy fanambarana navoakan'Atoa Salomao tamin’ny 17 jona 2011 momba ny fandikana ilay andininy faha-20 amin'ny fodian'ireo sesitany. Dia iny niaraha-nahita iny fa niala tsiny tamin'ny fianakaviamben'ny mpanao politika malagasy teny amin'ny Le Paon d'Or ingahy Salomao. Tsy takona afenina intsony koa fa maro be ny hazakazaka arahin-tosika any ambadika any amin'ny famahana ity krizy malagasy ity, ary misy ireo tsy mahalala afa-tsy ny soavaliny ihany fa resaka ambony latabatra fotsiny ilay hoe fiaraha-mitantana. Ho hita eo moa izay hambaran'ny solontena vonjimaikan'ny SADC eto amintsika momba ity raharaha ity. Manaiky an'i Omer Beriziky hatramin'ny farany ve ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena ka hitsangana ihany ny governemanta na iza faly na iza tezitra, sa ho tonga amin'ilay tenin'i Marius Fransman ny raharaha koa dia haverina hatrany am-boalohany indray ny fisafidianana sy fanendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisana ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.