Tapa-kevitra hampiseho hery

Hamory vahoaka ireo kandida 11


  • Talata 26 Septambra 2023

Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,

hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Hajo Andrianainarivelo, omaly. Omaly moa no napetraka teny anivon'ny prefektioran'Antananarivo ny taratasy fangatahana alalana hanatanteraka izany, raha ny fanazavany niaraka tamin’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 11 namany. Tapa-kevitra ny hampiseho hery amin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka miaraka voalohany, araka izany, izy 11 mirahalahy ireto. Mampahatsiahy ny hetsiky ny depiote miisa 73 ny taona 2018, izay raha tsiahivina, dia noho ny antony tsy fanekena ny fandikan-dalàna neverin’ireto farany ho nataon’ny fitondrana nijoro tamin’izany fotoana izany. Ny amin’izao fotoana izao, raha tsiahivina, dia mbola resaka fanitsakitsahana lalàna ihany indray, 5 taona taty aoriana, no fototry ny hetsik’ireo kandida miisa 11 izay mivondrona ao anatin’ny antsoina hoe “Collectif des candidats” na firaisankinan’ireo kandida ireto. Eo ny fitsipahana ny fandraisan’anjarana kandida ho filoham-pirenena efa mizaka zom-pirenena frantsay ranofotsiny fa tsy misy malagasy intsony. Eo ihany koa ny tsy fanekena ny fomba namindrana ny tokony ho fahefana nomena ny Filohan’ny antenimierandoholona nankany amin’ireo mpikamban’ny governemanta, izay tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, hitantana vonjimaika ity firenena ity hatramin’ny janoary 2014. Hita fa voadika avokoa, hoy izy ireo, na ny andininy faha 42 amin’ny sata mifehy zom-pirenena na ny andininy faha 46 sy 52 ao amin’ny lalàmpanorenana malagasy. Heverina fa hafampana indray, araka izany, ity herinandro ity, indrindra, eo amin’ny lafiny politika raha toa ka ho lavin’ny tomponandraikitra indray izao fangatahana izao.

Hahazo fahazoan-dàlana malalaka ve ireo Vondron’ny kandida sa hosakanana tahaka ny efa fahita mahazatra? Tsara rahateo no mampahatsiahy, fa ny 06 septambra lasa teo, dia nanao famoriam-bahoaka tao ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, nanao fanambarana politika samihafa ka ho avy ihany koa ny hafa mba haneho ny heviny. Hatao mitovy tantana ny rehetra sa haneho fahalemena sy tahotra na hakanosana politika ny eo anivon’ny Fitondrana ka tsy hanome alalana ny hafa?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT