Taona 2025

Mananontanona ny krizy sosialy sy toekarena hihamafy hatrany…


  • Zoma 27 Desambra 2024

Raha ny fanazavàna siantifikan’ireo manam-pahaizana momba ny siansa mikasika ny olombelona sy ny

fiarahamonina izany no aravina dia tsy nety tafala tanatina krizy i Madagasikara hatramin’izay nidirany tao anatin’ny antsoina hoe repoblika, izany hoe, nanomboka ny taona 1958 no ho nankaty. Porofo mitohoka amin’ny tenda ny fitomboan’ny fahantram-bahoaka sy ny fiakaran’ny vidim-piainana ary ny fitotongan’ny Ariary. Krizy matoa miha mahantra sy tsy mety afaka anaty fahantrana, raha fehezina ny famintinan’ny rain’ny haiolona mikasika ny fiarahamonina na «père de l’anthropologie social», Evans Prichard, azy ao anatin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe «Anthropologie social» izay. Fintininy ao anatin’izany moa fa miisa 4 ny ambaratonga mahatonga fipoahana krizy. Miainga amin’ny antsoina hoe disadisa na «turbulence» izany ka rehefa tsy mety voavaha io disadisa io, ohatra hoe disadisa politika, dia mivadika aditeny na «tension». Iny indray avy eo no mivadika krizy na adilahy, izay miteraka fifanoherana amina lafin-javatra maro ka mampikantso ny fandehan-draharaha ao amin’ilay fiarahamonina na firenena mihitsy ary raha sanatria mbola tsy voavaha izany dia miteraka ady atsanga na fipoahana krizy tahaka ireny niseho tamin’ny taona 1972, 1991, 2002, 2009, 2018 ireny. Raha mamisavisa fipoahan’ny krizy politika, araka izany, ny ankamaroan’ny mpisehatra politika ankehitriny manoloana ireo korontana marolafy isam-paritra taorian’ny voka-pifidianana kaominaly dia ireo mpandinika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny kosa dia mahita fa mananontanona hiha mafy sy krizy sosialy sy toekarena amin’io taona miditra 2025. Eo ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, izay mampitarazoka ny fiakaram-bokatra isan-karazany, toy ny vary, eny an-tsaha. Ahiana hihamafy miaraka amin’izany koa ny delestazy sy ny tsy fisian-drano, izay efa tena mampijaly anefa ireo amin’izao fotoana izao. Ahiana koa, araka izany, ny fahafatesana fihariana hafa maro izay mety efa mitsipozipozy amin’izao fotoana izao. Voakasika manokana ireo orinasa madinika, indrindra, tsy mahatakatra mpisolo herinaratra na «groupe électrogène» tahaka ireo mpanety, mpampanofa solosaina na «cybercafé», ny mpanefy vy, izany hoe, ahiana hitombo indray ny fahaverezana asa sy tsy fandriampahalemana amin’ny endriny maro mety ho aterak’izany raha tsy ahitàna vahaolana dieny izao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT