Politique

Taom-baovao 2023 Tonga nirary soa ny Filoha ny FFKM


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Tonga teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nitondra ny firariantsoa ho an’ny Filoham-pirenena amin’izao taona vaovao izao ireo Filoham-piangonanana, mpitarika ny fiangonana mikambana ao anatin'ny FFKM,

nahitana ny filohan'ny fiangonana FJKM, ny mpitarika eo anivon'ny fiangonana Katolika, ny Anglikanina ary ny fiangonana Loterana. Efa fanaon’izy ireo isan-taona io amin’ny maha Raiamandren’ny Firenena ny Filoha. “Mankasitraka manokana ireo mpitarika rehetra eo anivon’ireo fiangonana ny tenako noho ny finiavan’izy ireo hampanjaka ny firaisankina sy ny fihavanana”, hoy ny fanambarana nataon'ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, raha nandray azy ireo ny andron’ny omaly. "Izao fihaonana izao dia mampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny firaisam-pinoana sy ny tsy fisaraham-bazana eo amin’ireo antokom-pinoana misy eto amintsika. Isika rehetra miray hina no afaka hiaraka hanorina ho avy mamiratra sy feno fiadanana ho an’ity Nosy ity. Hotahiana sy ho arovan’Andriamanitra hatrany anie ity firenentsika ity", hoy ny filoha Rajoelina. Na izany na tsy izany: mampametra-panontaniana ihany ny zava-misy, raha mandinika ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ny Raiamandreny am-panahy dia raisina ho isan’ireo olona to teny sy sokajiana ho arofanina farany amin’ny zava-manjo ny firenena sy ny vahoaka. Ny Fiangonana dia mpaminany, ary tsy misorona miteny sy mamampaneno lakolosy eo anatrehan’ny zava-manjo ny vahoaka sy ny firenena. Betsaka ny fanairana na koa tsikera mahery vaika nataon’ny Fiangonana, miampy tolo-tsaina samihafa hanintsian’ny Mpitondra ny tsy mety. Fa moa tena manan-kasina sy to teny amin’ny mpitondra ankehitriny ve ny Fiangonana? Mba tena misy ve ny finiavana hihaino sy hanitsy ny tsy mety sa sanatria lasa rano atondraka an-damosin-gisa ary sanatria toa lasa mandrefy sy manangam-pahavalo ny mpitondra fivavahana aza ny olom-panjakana sasany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT