Politique

Tao anatin’ny 10 taona Ireo lainga folon-dRajoelina…


  • Talata 06 Aogositra 2019

Voalohany, ny Lapan’ny tanàna eny Analakely izay nambaran’i Marc Ravalomanana nandritra ny adihevitra tao amin’ny TVM ny 9 desambra 2018, fa nanome vola 5 miliara tamin’io ny fitondrana Ravalomanana.

 

 

 

 Nanda mafy izany i Andry Rajoelina, ary hatramin’ny fampahalalam-baovao tamin’ny tranonkala mitahiry ny vaovao nisiana fisaorana ho an’ny fitondram-panjakana noho ny fanohanana aza novaina taty aoriana. Faharoa, novoizina ny hoe avelao hahazo vaovao ny olona, tsy ekena ny fanagejana ny haino aman-jery. Navelany norobaina anefa ny RNM, TVM, MBS,... ka toa efa voaomana io. Tsy nareniny mihitsy na 5 taona teo amin’ny tetezamita aza izy. Fahatelo, novoizina ny hoe tsy nila famatsiambola, kanefa nisy foana ny famatsiambola, fa ny isany no niova. Ny vola tao amin’ny Banky foibe, ny hetra azo tamin’ireo tetikasa goavana QMM, Ambatovy, ny vola natao hiadiana amin’ny tsimok’aretina VIH/Sida izay toa niova lalana ka tao anatin’ny tetezamita no nirongatra indrindra izany teto Madagasikara,… Fahefatra, novoizina ny hoe handrafitra lalàmpanorenana mety amintsika ka nisy ny fakan-kevitra, teo ny komity manokana,… ka natao laza masaka fa tena io no mety tamin’ny 2010. Taty amin’ny 2014 dia efa olana ny fanendrena praiminisitra. Izao re fa hoe hanova indray.  Fahadimy, ny Kianjan'ny Demokrasia Ambohijatovo, izay nosokafana sy notokanana mihitsy aza, saingy izy ihany no tafiditra tao fa ny hafa tsy nitovy hevitra nampiasana herim-pamoretana sy baomba mandatsa-dranomaso, eny hatramin’ny Pr Zafy Albert aza tamin’ny fotoan’androny voatoraka lakrimozenina teny Anosy. Fahenina, hiresaka amin’ny vahoaka, hamaly fanontaniana aho, atao mangarahara. Nisy ilay fandaharana “Hono ho aho Andriamatoa filoha” tamin’ny tetezamita, saingy nandalo dia niserana ohatry ny tsena mora io. Fahafito, atao maimaimpoana ny fitsaboana ao amin’ny hopitaly manara-penitra, faran'izay raitra sy maoderina io,… kinanjo betsaka no niesona. Fahavalo, “ny lalàmpanorenantsika dia manaja ny satan’ny mpanohitra, ka havelako malalaka hitarika ny mpanohitra Atoa Ravalomanana”. Mbola adihevitra be io izao ary ny lalàna efa nankatoavina aza tadiavina hokitihina. Fahasivy, tsy handroso mihitsy isika raha miantehitra amin'ireo mpamatsy vola mahazatra, vao lany anefa izy dia nandray ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena dia hoe hiaraka hiasa. Ny fivoahana voalohany tany ampita, dia niezaka nanao fandresen-dahatra hamoahana ny anjara fanampiana an’i Madagasikara..  Fahafolo, nambara fa efa vonona ny mpiara-miasa hanatanteraka ny IEM, ka ny hahazoana ny fitondrana no ela dia miainga ny TGV, efa ho 7 volana anefa toa mbola mikatso ao amin’ny lagara ilay lamasinina nambara fa haingam-pandeha. Raha serasera sy hampanonofy vahoaka aloha dia vita manara-penitra, fa ny asa mivaingana hanomanana ny ho avy…mampanahy ihany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT