Politique

Tao anatin’ireo fitondrana nifandimby “Tsy mbola nisy tany mivaralila ohatran’ity”


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Nahazo fampitam-baovao ny RMDM fa tsy mifanaraka amin’ny lalana velona eto Madagasikara no nataon’ny zandarimaria tany Ikongo, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa.

Tokony hisy ny fampahafantarana in-3 hoe miparitaha ianareo fa hitifitra izahay, hoy izy. Izay vao manaparitaka amin’ny entona mandatsa-dranomaso. Fanampin’izay dia tsy nanaraka ny fenitra ara-drazana koa ry zareo. Misy rafitra mpanjaka ao izay mifehy ireo vahoaka. Tokony naniraka olona ny mpitondra fanjakana tao niantso ny mpanjaka hoe jereo ireto vahoakanareo ireto! Ahoana no handaminantsika an’ireo? Na iza na iza koa entina anaty tranobe dia tsy azo tifirina na kitihana. Haka ireo olona notakiany ho entina any amin’ny tranobe no saika ho ataon’ireo vahoaka. Avy anefa ireo zandary dia mitifitra. Mikararana ny faty any izao. Hopitaly iray koa ny any Ifanadiana. Mba araho ihany ny fomban-drazan’olona ry mpitondra fa izany no mahatonga tranga toy ireny tany Ikongo ireny. Miangavy ny fanjakana izahay ary tsy izahay ihany hoe asio fisaonam-pirenena kanefa dia mbola tsy misy ihany hatramin’izao. Misavoritaka ny lohan’ny mponina any Ikongo. Mba mipetraha ianareo amin’ny toeran’ireo mponina hoe tsy misy jiro, tsy misy hopitaly, dokotera iray no any. Tsy mbola nisy tany nivaralila ohatran’ity tao anatin’ireo fitondrana nifandimby, hoy hatrany ny tenany, ary tsy mbola voafehin’ny fitondram-panjakana mihitsy ny tsy fandriampahalemana eto. Morondava, Ikongo, Alaotra Mangoro na aiza na aiza isan’andro izao dia saika ahenoana olona maty, hoy izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT