Politique

Tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka Ho raketina an-tsarimihetsika mitohy


  • Talata 20 Desambra 2022

Goavana ny tetikasa iarahan’ny trano mpamokaratra horonantsary sy Sarimihetsika SR Production sy ny fikambanambe FCDR na Fondation Céline et Didier Ratsiraka,

hoy ny fanazavan’izy ireo tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona omaly. Ho raketina an-tsarimihetsika mitohy ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ary vinaniana ho tafavoaka amin’ny faran’io taona hoavy io ny andiany voalohany amin’izany. Horonantsary voasokajy ao anatin’ny antsoina hoe “Biopic” izy io satria ankoatran’ny famohazana an-tsarimihetsika dia hahitana fijoroana vavolombelon’ireo mbola velon’aina niara-niriaria tamin’ity filoham-pirenena teo aloha efa nodimandry ity koa izany. Ho fintinina ao anatin’ny 90 minitra in-3 izany ka ny andiany voalohany hitantara ny vanim-potoanan’ny 1972 sy 1973. Ny faharoa, 1973-1991, ary ny fahatelo, 1991-2002. Araka izany dia hisy ny fifantenana ireo hilalao ny sarimihetsika na “casting” momba izany ato ho ato, hoy hatrany ny fanazavana. Antony nifidianana ny Amiraly Ratsiraka ny fikasana hampahafantatra ny tantara amin’ireo tanora satria ny zatovo teraka tamin’ny taona 2002 izao tsy nahita izany fitondrana Ratsiraka izany fa eo koa ny fametrahana lova ho an’ny taranaka eo amin’izay lafiny izay. Manodidina ny 100 isa ireo mpilalao ho fantenina ary maharitra herintaona eo hatrany ny fanodinana na “tournage” vinavinaina ho an’ireo horonantsary miisa 3, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpanatontosa ity sarimihetsika ity, Sylvanno Ratsimandresy.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT