Tafatsangana ny alahady 10 novambra teo ka nampahafantarina ny mpanao gazety tao Ambositra omaly alatsinainy 11 novambra 2013 ny fikambanan’ny Tanora Zanak’i Dada ao amin’ny Distrikan’Ambositra. Fikambanana ivondronan’ireo tanora mpiara-dia tamin’ny Filoha Ravalomanana ao Ambositra izy ireo ary vonona hanohana ny kandida Dokotera Jean Louis Robinson sy ny kandida depiote ao Ambositra, Atoa Rakotonirina Lovanantenaina. Voafidy ho filoha mpitarika ity fikambanan’ny Tanora Zanak’i Dada ao Ambositra ity Atoa Ferdinand Mathion Angelin, miaraka amin’ireo mpikambana 8 mianadahy. Mitaky ny tokony hanajana ny daty hanatanterahana ny fifidianana amin’ny 20 desambra 2013 ho avy izao izay efa voatondro ity fikambanana ity no nanentana ireo tanora eran’i Madagasikara rehetra hanangana fikambana toy izao, ampy izay ny nitondran’ny mpanongam-panjakana. Efa an-dalana ihany koa ny fananganana ny fikambanan’ny tanora ao amin’ny Distrika telo hafa ao Amoron’i Mania.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.