Tanora TIM

«Tsy afenina amintsika fa potika tanteraka i Madagasikara»


  • Zoma 25 Oktobra 2024

Heverinay fa goavambe ny fanohanana ny kandida ho ben’ny tanàna atolotry ny antoko politika Tiako i Madagasikara

na TIM ao amin’ny kaominina renivohitr’Antananarivo, Tojo Ravalomanana, hoy ny fikambanan’ny Tanora TIM nisolontena ny avy any Vakinankaratra, Itasy, Bongolava, Analamanga no sady kandida ben’ny tanàna amin’ny kaominina misy azy avy koa tetsy Mamory Ivato omaly. Izahay aza, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, ny kandida ho ben’ny tanàna ao Ambohidratrimo, Faniry Razafimanantany, resy lahatra amin’ny fotokevitry ny antoko rehefa novolavolaina tao nandritry ny taona maro ka mainka moa fa ny zanaka an-trano? Efa niomana ara-pitantanana izy ary nandray ny fanilo miampita, hoy ity kandida ity nanamafy izay fanohanan’ny Tanora TIM izay. Raharaha ikambanana ity ary lokan’ady lehibe io Antananarivo renivohitra io sy ny kaominina hirotsahanay tsirairay avy. Ny hanaovana fanarenana izany Antananarivo renivohitra izany mihitsy no tanjona ary efa manangasanga izay tsirim-panantenana ho an’ny vahoakan’Antananarivo renivohitra izay. Ambaranay eto izany fa na dia mirotsaka any amin’ny kaominina misy anay avy aza izahay dia heverinay fa goavambe ny fifanohanana. Tsy maintsy mbola hisy ny fampivondronana lehibe ho ataon’ny tanora TIM kandida ary ahetsika avy eo ny zanaka am-pielezana rehetra monina ao Antananarivo renivohitra avy amin’ny kaominina misy anay rehetra ireo ary hanetsika ny faribolana rehetra misy anay izahay. Tsy afenina amintsika fa potika tanteraka i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy ho tanisaina amintsika intsony angamba hoe inona no olana ara-toekarena sy sosialy iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao? Na izahay mandeha any amin’ny kaominina misy anay aza miaina izany ka mainka moa fa Antananarivo renivohitra? Mba hahafahana misintona anaty lavaka an’i Madagasikara, indrindra, ilay renivohi-paritany izany dia heverina fa goavana ny ahafahana manohana an’i Tojo Ravalomanana ho amin’izany fitantanana an’Antananarivo renivohitra izay. Tsy misy ny atahorana fa ny fifanohanana sy firaisankina no zava-dehibe, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT