Politique

Tanora «TIM Raharinaivo» Nivadika ho sakoroka ny fanofanana tao Toamasina


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2011

“Nampanantenaina izahay ny zoma teo fa hisy ny fanofanana ataon´ny tanora TIM ao Soavita. Nolazain´ireo filohan´ny fikambanan’ny mpianatra fa ny tetikasa Ambatovy sy ny Tsaravitana ary ny PPRR, no hampiofana ary hahazoana mari-pandraisana anjara”.

 Izay no nambaran´ireo mpianatry ny oniversite ao Barikadimy tonga tao Soavita ny sabotsy maraina teo. Nambaran´izy ireo ihany koa fa nampanantenaina izy ireo fa hisy fiara be telo haka azy ireo nefa taksibe no nitaterana ary ny sakafo nolazaina fa homena tsy hita fa “karoty be rano no tao anaty vilany”. Vokatr’izay, nivadika sakoroka ilay fanofanana tao amin´ny Soavita, potika ny seza an-jatony nofain´ny tanora TIM “Raharinaivo”, vaky ny vilaniben’ny tafika nindramina, simba ny fanamafisam-peo nofaina ary narian´ny mpianatra ny laoka efa masaka. Tsy tapitra tao amin´ny Soavita ny raharaha, fa nitohy tamin’ny filaharana nihazo ny tanàn-dehibe nataon´izy ireo ary niditra tao amin´ny hetsiky ny Rodobe tao amin´ny Magro Tanambao V.

Nisy ny tora-bato noho ny resaka tsy nazava. Nambaran´ny Me Rasamimaka Mahefalahy izay nitafa tamin´ireto mpianatra tezitra mafy, fa “tsy misy hidiranay ny tao amin´ny Soavita, TIM ireo nanasa anareo, nefa izahay eto TIM Ravalomanana, izy ireo kosa TIM Raharinaivo, ary izahay mpanohitra fitondrana, izy ireo kosa miara-dia amin´ny FAT ary lehiben´ny Kongresin´ny tetezamita ny mpitarika azy”. Raha avy niala tsiny tamin´ny fihetsika tsy nety ireto mpianatra tezitra, dia nihazo ny CRJS hilaza ny heviny teo anoloan´ny onjam-peo sy fahitalavitra. Taorin´izay dia niverina nitsoka kiririoka nitety tanàna nody tany Barikadimy ireto mpianatra, izay nitarika ny fikatonan´ny mpivarotra tao Bazary Kely hatrany Mangarano II. Ankoatra izay, velon-taraina koa ny taksibe nanao ny fitaterana fa tsy azo ny volany araka ny nambarany tamin´ny mpanao gazety, izay 30.000 Ar isaky ny mitatitra. “Dimy izahay no niasa, ka iray nitatitra in-dray mandeha, telo nanao in-droa ary iray nitatitra in-telo”. Nilamina ihany ny tanàna omaly, na teo aza ny ahiahin´ny olona nahita ny sakoroka ny mpianatra romotra.

Omaly dia nampiantso mpanao gazety tao amin´ny trano fandraisambahiny “Le Miramar” tao Salazamay ireo Tanora “TIM Raharinaivo” nikarakara ity hetsika tao amin´ny Soavita ity. Nambaran´izy ireo fa tanora mpianatra 800 no nandrasan’izy ireo nefa nanodidina ny 2.000 no tonga ka nisy ny olana teo amin´ny sakafo izay mbola nitadiavana vahaolana haingana. “Teo am-pitadiavana izany izahay dia ireny ny zava-nisy ary ialanay tsiny”, hoy i Mamonjy Ratsimbazafy mpandrindra nasionaly lefitry ny Tanora “TIM Raharinaivo”. Mikasika ny fahaiza-mitarika, ny fanomanana sy fandrafetana tetikasa ary ny resaka fambolena sy fiompiana ity fanofanana saika natao nefa nivadika sakoroka ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT