TANORA TIM- FIRAISANKINA AVARADRANO

Hampandany ny kandida Avotra sy Jimmy


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

ao anatin’ny distrikan’Avaradrano ireo tanora Tiako I Madagasikara ao anatin’ny distrika iray ity, arahin’ireo mpikambana maro samihafa ao anatin’ny Vovonana Firaisankina. Nanao fanambarana teny amin’ny ivon-toeram-pilanonana Happy izy ireo omaly Talata 01 May ka anisan’ny tena tanjon’izy ireo ny hanaovana poa-droa mandritra ny fifidianana hotanterahina ny 29 May ho avy io hahafahana mitondra ny fitarainany eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Maro ireo zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny intsony eto amin’ny firenena hoy ny mpitondra tenin’izy ireo omaly. Lohalaharana amin’ireny ny fiakaran’ny vidim-piainana, antony mahatonga ireo olona sasany hihinankinam-poana toy ireo mponin’i Toamasina izay nangady ireo vary simba efa nalevina. Eo koa ny tsy fandriampahalemana. Mandry tsy lavo loha ny vahoaka, mirongatra ny fakana an-keriny raha tsy lazaina intsony ny fanararaotam-pahefana hataon’ny mpitondra fanjakana ankehitriny izay manery ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny handatsa-bato ho an’ny kandida natolony. Mihamaro an’isa ihany koa ireo mpianatra nahavita fianarana tsy mahita asa hoy hatrany izy ireo raha tsy lazaina intsony ireo mbola maniry te-hianatra nefa tsy afa-manoatra noho ny tsy fisian’ny ho enti-manana. Miantso ny tanora mba hifoha izy ireo noho izany ka tsy hanaiky ho voarebirebin’ny mpanao politika amin’ny fizarana zavatra kely. Manan-danja ny safidy hoy izy ireo koa andao handatsa-bato amin’ny datin’ny 29 May ho avy izao. Notsiahivin’ny kandida lisitra faharoa Randriantsoa Jimmy sady Ben’ny tananan’Alasora moa fa adidin’ny tsirairay ny miaro ny safidiny indrindra manoloana ireo bileta efa vita tadiavin’ny sasany hasisika sy ny fanangonana kara-panondrom-pirenena izay efa hataon’ny sasany eny Avaradrano ankehitriny.
Pati
Legende : Nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo omaly teny Ambohimangakely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT